Politique

Nanohana ireo depioten’ny Kaongresy : Nivoaka ny fonja omaly ireo voasambotra teny Tsimbazaza


  • Alarobia 24 Martsa 2010

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly tamin’ny mitataovovonana ireo sivy mianadahy, fito lahy sy vavy roa samy 18 taona eo avy, mpomba ny ankolafy telo : Zafy, Ratsiraka ary Ravalomanana, nigadra taorian’ny savorovoro nitranga teny Tsimbazaza ny talata 22 desambra 2009, andro voatondro fa hanaovan’ny Kaongresin’ny tetezamita ny fivoriany savaranonandro.

Ireo depiote miisa 156 avy amin’ny ankolafy telo, araka ny voafaritry ny sata tovana tany Addis Abeba ny 06 novambra 2009, ary efa nampahafantarina an-gazety ny sabotsy 19 desambra, no tokony ho nisantatra ny asa saingy tsy raikitra izany. Nobahanan’ny miaramila ny vavahadin’ny Lapa ary sempotry ny eton’ny baomba mandatsa-dranomaso miampy grenady sy tifitra ireo mpanatitra ny depiote. Tao anatin’izay savorovoro izay no nisamborana azy sivy mianadahy ireto. Nisy 13 izy ireo no voasambotra, araka ny tatitra nataon’ny mpitandro ny filaminana taorian’io ka mpametraka sakan-dalana ny 8 tamin’izy ireo, mpizara vola ny 3. Fa ireo sivy ireo no nigadra enim-bolana an-tranomaizina sazy mihatra. Nisy ny famelan-tsazy nataon’i Andry Rajoelina nandritra ny asaramanitra ny 08 janoary 2010, ka dia nihena telo volana ny sazin’izy ireo, dia izao nivoaka ny fonja omaly talata 23 martsa izao. Vao maraina dia efa niandry ny fivoahan’izy sivy mianadahy ny fonja ny fianakavian’izy ireo avy. Misy ny taratasy tsy maintsy arindra mialoha ny fivoahan’izy ireo. Teo amin’ny mitataovovonana teo no nivoaka izy ireo, ka dia hafaliana ny an’ireo ray aman-dreny, zaza tokana rahateo ny iray amin’ireo vavy avy nigadra ireto. Nilaza izy ireo fa fitiavan-tanindrazana sy fanavotam-pirenena no nanosika azy ireo, fa tsy mihevitra hahavita na hanao heloka velively. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT