Taonjato maro no efa nivalona fa tsy mbola nisy toy izao teto Madagasikara, hoy ny Tanora Mivondrona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara na ny T/MFM.
Taorian’ny sazy nihatra tamin’ireo manampahefana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita avy amin’ny Filankevi-pilaminan’ny Vondrona Afrikanina, dia miseho lany ny fisamborana miendrika valifaty ataon’ireo mpanongam-panjakana voasazy eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ireo tsy mitovy hevitra aminy, araka ny fanazavana ihany. Manoloana izany indrindra àry dia manameloka ny fitazonana am-ponja vonjimaika an’i Solohery Hilaire, mpikambana MFM, tamin’ny nanomezany tanana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na ny HMF. Manamafy izy ireo fa tsy trakta araka izay fiampangana no hita tao anaty fiara izay marihina fa tsy an’i Solohery akory, fa takelaka fampianarana ny vahoaka hijoro ho olo-marina na koa «prospectus». Soratra Masina avokoa no voarakitra anatin’io takelaka io miampy sonia sy ny mety hifandraisana amin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny HMF.
Hahavery hasina ny fitsarana malagasy ny endri-javatra toy izao raha mitohitohy, hoy ihany ny T/MFM izay mangataka tsy misy hatak’andro ny hamotsorona tsy misy fepetra an’i Solohery sy ny vadiny ho fanajana ny fahafahan’ny tsirairay. Tsy mifanaraka amin’ny demokrasia sy ny zo maha-olona imatimatesana izany fitazonana am-ponja mpivady izay manan-janaka telo izany, araka ny fanambarana ihany. Ankoatra izay dia manainga ny Malagasy tsy vakivolo koa ny T/MFM hiaro, hampanjaka sy hanome hasina ny fiaraha-monina malalaka, ny fahafahan’ny tsirairay ary ny filaminana sy fandriampahalemana eo amin’ny tontolo sosialy sy ny fiverenana amin’ny harofenitry ny lalàmpanorenana na inona na inona mety ho firehan-kevitry ny tsirairay. Manentana ny rehetra koa izy ireo hijoro ho olo-marina. Manainga ny tanora, ny mpianatra ary ireo hery velona rehetra manerana ny nosy izy ireo mba hanohy ny tolona, hiverenan’i Madagasikara haingana amin’ny demokrasia moderna sy manara-penitra ary ny fitondrana ara-dalàna. Rahampitso moa no hiakatra fitsarana i Solohery mivady izay tazonina am-ponja vonjimaika eny Antanimora hatramin’ny alatsinainy lasa teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.