Politique

Ambohitsorohitra : Misy manampahefana tsy tafiditra an-dapa


  • Alakamisy 25 Martsa 2010

Mbola ao anatin’ny fikorontanana tanteraka ny eo anivon’ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana satria manomboka tsy mitovy tsara intsony ny hevitra. Mihena isan’andro ny olona atokisan’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina, ary araka ny tsilian-tsofina re dia voafetra ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony afaka mihaona sy miresaka aminy eny Ambohitsorohitra na Iavoloha.

Misy, arak’izany, ireo tompon’andraikitra sasany mahatsiaro tena voahilikilika ka manomboka tsy marisika amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa. Izay, angamba no nahatonga ilay resaka fametraham-pialana minisitra telo, nanomboka nivoaka indray tato anatin’ny andro vitsivitsy. Misy matetika ny fivoriana tampotampoka eny Ambohitsorohitra eny, tahaka ny nitranga ny talata hariva teo, araka ny fampitam-baovao voaray ka voafetra ny olona mandray anjara amin’izany. Ny filohan’ny HAT moa no mitarika ny fivoriana, ary manatrika izany ieo mpanolotsaina azy akaiky, ny praiminisitra ary minisitra vitsivitsy. Ao anatin’ny fikarohana vahaolana hatontosana ny programan’asany tanteraka ny HAT, ary mbola mieritreritra fa tsy ilaina ny fampiharana ny satan’i Maputo; tsy maintsy atsangana mialoha ny faran’ity volana martsa ity ilay governemantan’ny firaisam-pirenena, na miditra ao na tsia ireo ankolafy telo. Tsy mety mantsy ny planina napetraka hatrizay raha mbola mihemotra io fe-potoana io. Izay no mampihazakazaka fatratra ny ao ambonimbony ao amin’ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny fampandaniana ny lalàna hifehy ny fifidianana ary ny fananganana ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI).

Ny fisian’ny fivoriana hiantsoana olona voatsonga manokana anefa, dia azo adika fa misy ny tsy fahatokisana ny olona sasany, na koa mety tsy miray hevitra amin’ny tena intsony ireo mpiara-miasa sasany. Io ilay efa notaterina teto ihany fa manomboka tsy mitovy intsony ny tadin-dokanga ao ambonimbony ao ary efa karazana tsipaky ny miala aina no ataon’ny mpitondra tetezamita ankehitriny satria tapi-dalan-kaleha ry zareo. Manome toky ny hanohana sy hanampy ny Frantsay, kanefa mitandrina sao hanava-tena ka ho afa-baraka eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena, i Frantsa rahateo dia anisan’ireo firenena sahirana ara-toekarena eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina, ka raha tsy mitandrina dia mety ho ratsy ny hanjo azy. Sarotsarotra ihany ny fitantanana ny firenena arak’izany satria, ny lehibe aza manomboka efa tsy mifampatoky intsony.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT