• Alarobia 09 Jona 2010
Politique.Magro Behoririka Resahina ny mety ho fidirana an-tsehatry ny tafiky ny Sadc

Mandeha ambaratonga sy antanan-tohatra ny fomba fiasan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny Groupe de Contact International na ny Gic, araka ny fanazavan’ny dokotera Armand, solontenan’i Mahajanga tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 09 Jona 2010
Politique.Fikaonan-doham-paritra Hotanterahana aorian’ny “Pretoria 2”

Eo am-piketrehana tanteraka ny fihaonana eo amin’ireo filohan’ny ankolafy 4 amin’izao fotoana ny vondron’ny mpanelanelana izay tarihan’i Joaquim Chissano, ary efa nilaza fa vonona ny hanampy amin’izany ny eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 09 Jona 2010
Politique.Zafilahy Stanislas «Aoka hifoha amin’ny torimaso isika !»

Tolona ho an’ny taranaka faramandimby, tolona tsy hanekena hozanahana fanindroany indray no hatao, hoy ny depiote Zafilahy Stanislas. Izany indrindra no mahasarotiny anay, manoloana ireo olona na vondron’olona mitady hamilivily ny tolona. Tsy mbola vita ny tolona, hoy ihany izy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 09 Jona 2010
Politique.Fametrahana ny Pds-n’i Manakara Nihemotra ny mpitondra FAT

Araka ny fandaharam-potoana dia ny zoma 11 jona izao no tokony hametrahana amin'ny fomba ofisialy an’i Sileny Alban, ho filohan'ny delegasiona manokana na Pds ao amin'ny kaominina Manakara miaraka amin’ireo lefiny roa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 07 Jona 2010
Politique.Andrianjohaninarivo Manana Harivelo “Ny tombontsoa frantsay no tena miroborobo eto”

Resaka nifanaovana tamin’i Andrianjohaninarivo Manana Harivelo «Dadamanana». Filohan’ny Filankevitra Monisipaly Antsirabe, Mpampianatra, mpanao politika avy amin’ny Tiako I Madagasikara ny tenany. Efa nitana ny andraikitry ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe ihany koa izy ny taom-piasana voalohan’i Olga Ramalason.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 07 Jona 2010
Politique.Dr Rakotomanana Gervais «Sady tsy nitsoaka aho no tsy nanodinkodim-bola»

Lasa vaovao nahaliana ny maro ny zava-misy eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ambonivohitra, noho ilay raharaha nambara fa fanodinkodinam-bola nataon’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina I, Dr Rakotomanana Gervais. Nisy ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana, izay nilazany ny heviny sy ny zava-nisy marina nahatonga iny raharaha tonga hatramin’ny hoe hisamborana azy iny.

Hamaky ny tohiny
FTT