Lasa vaovao nahaliana ny maro ny zava-misy eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ambonivohitra, noho ilay raharaha nambara fa fanodinkodinam-bola nataon’ny Ben’ny tanŕnan’i Toamasina I, Dr Rakotomanana Gervais. Nisy ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana, izay nilazany ny heviny sy ny zava-nisy marina nahatonga iny raharaha tonga hatramin’ny hoe hisamborana azy iny.
Tia Tanindrazana (T.T) : Miarahaba anao Dr Rakotomanana Gervais, inona marina no tena zava-nisy nahatonga izao zava-mitranga mifamahofaho izao ary nivoahana didy fampisamborana anao ity ?
Dr Rakotomanana Gervais (Dr Gervais) : Miarahaba anareo ao amin’ny Tia Tanindrazana ihany koa. Raha ny fandehany dia tonga tao amin’ny biraoko ity rangahy iray nilaza fa iraka manokana avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, fa hoe hanao fanaraha-maso ny volan’ny kaominin’i Toamasina. Tsy nisy aloha ny taratasy manamarika izany, ka na ny anarany aza tsy nambarany mazava, fa «Doudou» no nifampiantsoana satria izay no nolazainy fa fiantsoana azy. Tsy nanakana ny asa fanaraha-maso nataony aho, fa navelako nalalaka izy nanao izay, saingy tsy momba io asa nambarany fa nanirahana azy io no nasesiny tamiko fa ny filana vola be fa mila izany, hono, ny minisitra sy ny mpiara-miasa aminy ary nilaza izy fa aza adino ny anjarako. Ankoatra izay aza dia nasainy naloako ihany koa ny saran’ny trano fandriany sy ny sakafony ary ny filana amin’ny maha lehilahy azy, nefa ity farany tsy azoko nomeko azy fa tsy nananako.
T.T : Nanao ahoana anefa ny fanaraha-maso nataony teo anivon’ny kaominina ?
Dr Gervais : Raha ny tena fanaraha-maso aloha tsy hitako loatra, fa efa nisy antontan-taratasy teny aminy nasainy nataon’ireo mpiara-miasa amiko sonia izay mbola niampy fandrahonana ankolaka sy mivantana indraindray. Raha nahita izany aloha ireo mpiara-miasa amiko dia sady gaga no taitra ary nahatonga fisalasalana teo amin’izy ireo. Ny tena nanaitra ahy dia ny ampitso nahatongavan’i “Doudou” tao amiko, dia tsy izy indray no tonga nihaona tamiko fa olona hafa voalaza fa iraka nalefany, ary mbola io vola be io ihany no nolazaina mba hampitsaharana ity fanadihadiana ity sy tsy hitaran’ny raharaha eny amin’ny fitsarana.
T.T: Mivoaka ankehitriny ny tarehimarika fa 400 tapitrisa ariary ny vola nahodinao teo anivon’ny Kaominina araka ny tatitr’io olona mitonona ho iraky ny minisitera ny fanajariana ny tany io?
Dr Gervais : Tsy haiko ny nahitany io tarehimarika io ! Nefa na ireo antontan-taratasy tao aminay aza tsy nozahany akory fa ilay efa teny am-pelatanany no tereny hataon’ireo mpiara-miasa amiko sonia. Ny fanazavana tiako atao fotsiny dia ananako antontan-taratasy ho porofo avokoa ireo ambarany fa vola nahodinkodiko ireo. Raha singanina, ohatra, ilay vola 30.000 euros avy amin’ny Kaominin’i Le Port (La Réunion) dia efa nifanarahako tamin’ny mpanome ny vola ny hampiasana azy ary efa nangatahako fankatoavana tamin’ny mpanolotsaina monisipaly ihany koa ary efa nahazo fankatoavana tamin’ny lehiben’ny Faritra izay lehibeko mivantana ao amin’ny Faritra Atsinanana. Tsara ho fantatry ny vahoaka ihany koa fa nentina nanatsarana sy nanomanana fety maro nandritra ny fetim-pirenena izay nambara fa fanovana teto amin’ny firenena ny taona 2009 ilay vola. Momba ilay hoe vola 100 tapitrisa ariary nanaovana Himo na asa tanamaro tamin’ny lehiben’ny Faritra teo aloha dia ny 20 tapitrisa ariary ihany no anjaran’i Toamasina renivohitra tamin’izany. Manana porofo maro mikasika azy io izahay, ary efa nisy enspekteran’ny minisitera koa tamin’ny taona lasa, nanao fanadihadiana mikasika azy io, ary efa nanaovana fanadihadiana toraka izany koa ny lehiben’ny Faritra teo aloha nanolotra ny vola tamin’izay fotoana izay.
T.T : Nitsoaka anefa ianao, inona no antony ?
Dr Gervais : Tsy nitsoaka izany aho no sady tsy nangalatra ihany koa. Raha vao naheno ny zavatra hiseho aho dia ny nifanatona tamin’ireo andrim-panjakana samihafa no nataoko hanontany ny tena marina momba ity raharaha ity, ary nanadihady ihany koa mikasika an’i “Doudou”. Namonjy an’Antananarivo aho fa tsy nitsoaka araka ny lazaina akory. Nofitahana ihany koa ny tenako amin’ny saika hisamborana ahy hanaovana fanerena, na mametra-pialana, na mandoa vola, na migadra. Ny tena nampanahy ahy mantsy dia ny filazan’ity “Doudou» ity fa raha voaloa ny vola tadiavin’ny “minisitra” io dia mifarana hatreo ny fanenjehana, fa raha tsy izany tsy maintsy migadra fa nanodinkodim-bolam-panjakana. Mazava ny resaka izao.
T.T : Mazava ahoana ny resaka Atoa Ben’ny tanàna ?
Dr Gervais : Tam-pirahalahiana ny fifampiresahana teo amiko sy ny minisitra ary ny praiminisitra. Misy ny fepetra horaisin’izy ireo. Ho tonga any Toamasina aho ny Alatsinainy (anio) ary hanohy ny asako amin’ny maha Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ahy. Ny fanomanana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena koa efa mandeha izao, ny fiaraha-miasa amin’ny Telma koa efa miandry fotsiny ao anatin’izany, dia ho hita eo ny ataon’ireo namoaka ilay didy fampisamborana teo anivon’ny Fitsarana amin’ny fisamborana ahy izany.
T.T : Ny fehin-teninao Atoa Ben’ny tanàna?
Dr Gervais : Averiko eto ihany, hamaranako ny teniko, fa sady tsy nitsoaka sy nandositra aho na teo aza ny zavatra saika natao tamiko, ary tsy nangalatra aho fa ananako porofo avokoa ny zavatra voalazan’i “Doudou” fa nahodinkodiko ireo. Manentana ny vahoakan’i Toamasina aho tsy hiahiahy. Dia misaotra anareo ato amin’ny gazety Tia Tanindrazana ihany koa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.