Tolona ho an’ny taranaka faramandimby, tolona tsy hanekena hozanahana fanindroany indray no hatao, hoy ny depiote Zafilahy Stanislas. Izany indrindra no mahasarotiny anay, manoloana ireo olona na vondron’olona mitady hamilivily ny tolona. Tsy mbola vita ny tolona, hoy ihany izy.
Natao hoe jadona ny fitondrana teo aloha kanefa ny zava-misy ankehitriny dia fivarotana tanindrazana, hoy i Zafilahy, izay nanohy fa raha ny resaka Daewoo no novoizina teo aloha ka nanonganana ny filoha Ravalomanana, dia tsara ny mapahafantatra fa fampanofana tany no kasaina natao ary hambolena katsaka eto an-toerana ary hanome asa. Ankehitriny, misy ny raharaha Soalala izay marina tokoa fa efa noresahina tany amin’ny taona 2008. Tsy azo hirotorotoana anefa izany satria ny harena ankibon’ny tany no hamidy amin’ny Sinoa. Mitaky Antenimiera ny mandany karazan-tetikasa lehibe toy izao. Tsy misy vola eo anivon’ny kitapom-bolam-panjakana ka dia manaotao foana ny FAT, hoy ihany izy. Aoka isika, tsy hofitahana, hoy izy fa tsy tetezamita no afaka hifanaraka amina orinasa lehibe na koa firenena toa an’i Chine izay anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana.
Momba ny fanenjehana ireo Ben’ny tanàna miseho lany hatramin’izay nahatongavan’ny FAT teo amin’ny fitondrana izay, toy ny nahazo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy Mananara, dia tahotra an-dRavalomanana no anton’ireny, hoy ihany i Zafilahy Stanilas. “Fantatry ny FAT fa tsy voasakana intsony ny fiverenany ary ny filatsahan-ko fidian’ny filoha Ravalomanana ka dia ezahin’ny FAT hosoloina PDS avokoa ireo Ben’ny tanàna olon-dRavalomanana mialoha ny hahatongavan’ny filoha”, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Araka ny vaovao nampitain’ity solombavambahoakan’i Vavatenina teo aloha ity ihany dia efa ny Frantsay no mitantana ny nosy madinika izay aty amin’ny faritr’i Madagasikara toy ny nosy Juan de Nova izay manana harena ankibon’ny tany tsy hita pesipesenina ary stratejika. Ankehitriny dia betsaka ireo nosy nofohazina sy hetsehina ary hanaovana fifanarahana ambadika. Efa lasa tsikelikely ny fananantsika, hoy izy, koa aoka isika hifoha amin’ny torimaso. Aoka hanambatra ny hery izay rehetra mahatsapa fa misy tsy mety eto amin’ny firenena, hoy i Zafilahy Stanislas.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.