• Zoma 11 Jona 2010
Politique.Mektoub El Camille «Tapitra ny 21 jona izao ny fe-potoana nomen’ny HCC an’i Andry Rajoelina»

«Ny 21 martsa 2009, tao Mahamasina, no napetraky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ny toerana maha filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita azy i Andry Rajoelina. Araka ny lalàna, dia nanome 15 volana ny filohan’ny FAT ny HCC hanomanany ny fidirana amin’ny Repoblika faha-4, ao anatin’izany ny fikarakarana sy fanaovana ireo fifidianana isan-tsokajiny. Raha atao ny kajy tsotsotra dia ny 21 jona ho avy izao no hiafaran’ny fe-potoana nomen’ny HCC an’i Andry Rajoelina, izany hoe afaka 10 andro».

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 11 Jona 2010
Politique.Ankolafy 3 Hanao hetsika lehibe

«Tsy amidy, tsy atakalo ny tanindrazana. An’ny Malagasy i Madagasikara», hoy ny dokotera Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 11 Jona 2010
Politique.Famahana ny krizy Miditra an-tsehatra ny ONU

Nifarana omaly ny fitsidihana fakan-kevitra nataon’ny iraka manokan’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU) Ban Ki Moon.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 11 Jona 2010
Politique.Fitondrana tetezamita Hitohy hatramin’ny 2011 ?

Miha mazava ny resaka ankehitriny fa mety tsy ho raikitra ny 12 aogositra indray ny fitsapan-kevi-bahoaka fa tsy maintsy hihemotra, efa somary nilaza ny momba izay ihany mantsy ny filohan’ny CENI, Rakotomanana Heriniaina, tamin’ity herinandro ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Jona 2010
Politique.Gadra politika Misy 42 ao Antanimora, 54 any Tsiafahy

Manao tohivakana ny famonjana izay rehetra manelingelina ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita). Hatramin’ny omaly dia miisa 96 ireo Malagasy nofonjaina tato anatin’ny 14 volana.

Hamaky ny tohiny
FTT