Eo am-piketrehana tanteraka ny fihaonana eo amin’ireo filohan’ny ankolafy 4 amin’izao fotoana ny vondron’ny mpanelanelana izay tarihan’i Joaquim Chissano, ary efa nilaza fa vonona ny hanampy amin’izany ny eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina.
Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifampidinihana ihany amin’izao krizy izao, ary raha ny fandinihana azy dia miandry ny fisian’io fihaonana eo amin’ny filohan’ny ankolafy io vao hotanterahana ilay fikaonan-doham-pirenena. Na dia vonona sy mazoto tokoa aza amin’ny fikarakarana izany ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena, dia tsy afaka ny hanao be marenina manoloana ny fepetra napetraky ny sehatra iraisam-pirenena. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitarika fikambanana iray, dia tsara sy matotra kokoa raha aorian’ny fifampiresahana izay mety hofaranana amin’ny fanaovana sonia eo amin’ireo filohan’ny ankolafy 4 no hanatanterahana ny fikaonan-doham-paritra sy ny fikaonan-doham-pirenena.
Tsy mbola fantatra mazava anefa ny daty mety hanatanterahana io fihaonana io, ka izay no mety nahatonga ny hoe hahemotra amin’ny fotoana manaraka. Tsy fantatra koa ny datin’izany fikaonan-doha isan-karazany izany. Fa ny azo antoka dia tsy maintsy hisy ny fihaonan’ny efa-tonta indray, na ho atsy Pretoria (Afrika Atsimo) io na ho atsy amin’ny Nosy Maorisy, izay hitantana indray ny Vaomieran’ny Ranomasimbe indianina manomboka eto, satria izay no takian’ny sehatra iraisam-pirenena, ary na ny fanjakana Frantsay sy ny fihaonana an-tampon’ny Afrika Frantsa, farany teo tany Nice dia mitaky ny hisian’ny fifampidinihana. Ary tahaka ny efa nitranga tany aloha, tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy hanatrika io fivoriana io ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, satria mety hiharan’ny sazy mafimafy kokoa izy raha minia mandà ny hifampidinika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.