Araka ny fandaharam-potoana dia ny zoma 11 jona izao no tokony hametrahana amin'ny fomba ofisialy an’i Sileny Alban, ho filohan'ny delegasiona manokana na Pds ao amin'ny kaominina Manakara miaraka amin’ireo lefiny roa.
Andriatsizehena Benja Urbain, rahalahin’ny Pds, aza omaly dia mbola nanamafy fa efa tomombana avokoa ny fiomanana rehetra amin'ity lanonana amin'ny zoma ity. Araka ny nambarany dia hamono omby mihitsy ry zareo amin'izany ary ny praiminisitry ny FAT no ho tonga any an-toerana. Araka ny vaovao voaray anefa, tamin'ny fivorian'ny minisitra omaly dia betsaka ireo minisitra no tsy manaiky ny hametrahana ity Pds Sileny Alban ity. Ny sasany aza tonga hatrany amin'ny hoe : “hanala baraka ny fiavianay ny hanaovana izany”. Nifanditra noho izany ireo minisitra ireo ka ny minisitra mpiahy ny vondrombahoaka-paritra no voalaza fa mbola saika hisisika hanao ity fametrahana amin'ny fomba ofisialy ity ihany.
Taorian'izany dia nanapa-kevitra ny praiminisitry ny FAT fa ny hevitra mety mikasika ity olan'i Manakara ity dia ny fanesorana ny Ben'ny tanàna sy ilay PDS izay notendrena kanefa tsy afaka nandray ny toerany akory hatramin'ny farany. Noho izany dia fantatra taorian'io fivorian'ny minisitra omaly io ihany fa hatao miaramila ny filohan'ny delegasiona manokana hitantana ity kaominina ity ary ireo «Attaché d'Administration» kosa no hatao lefiny. Ny feo re dia ny minisitry ny jono, izay olona avy any amin'iny faritra iny, no voalaza fa hanolotra anarana miaramila saingy ny minisitry ny Atitany kosa no hanolotra ireo «Attaché d'administration». Na izany aza, dia mandeha ny feo fa misisika mafy amin'ny fametrahana ity Pds ity i Marson Evariste. Tsara ny manamarika fa tamin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ny 12 desambra 2007 dia anisan'ireo nilatsaka ity Pds Sileny Alban ity saingy vato 6 isan-jato no azony raha 68 isan-jato ny an'ny Ben'ny tanàna ankehitriny, natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara, Andriano Giscard.
Ny mponina any Manakara moa dia efa miandry fotsiny ny andro zoma hanoherana hatramin'ny farany ity fikasan’ny FAT hametraka PDS ity. Raha ny angom-baovao hatramin’ny omaly anefa dia tsy ho any an-toerana ny jeneraly Camille Vital raha izy no voalaza ao anatin'ny fanasana fa hitarika ny lanonana any an-toerana amin'io zoma io. Dia ho hita eo izay minisitry ny FAT sahy hiatrika ny vahoakan'i Manakara.
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.