Politique

Andrianjohaninarivo Manana Harivelo “Ny tombontsoa frantsay no tena miroborobo eto”


  • Alatsinainy 07 Jona 2010

Resaka nifanaovana tamin’i Andrianjohaninarivo Manana Harivelo «Dadamanana». Filohan’ny Filankevitra Monisipaly Antsirabe, Mpampianatra, mpanao politika avy amin’ny Tiako I Madagasikara ny tenany. Efa nitana ny andraikitry ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanŕnan’Antsirabe ihany koa izy ny taom-piasana voalohan’i Olga Ramalason.

Tia Tanindrazana (T.T) : Misarika ny sain’ny maro hatrany ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena izao, amin’ny maha mpanao politika anao, ny fahitanao azy ?Andrianjohaninarivo Manana Harivelo (Dadamanana) : Amiko dia tsy miova ny politikan’ny Frantsay hatramin’izay ary isika Malagasy dia iharan’izany hatramin’ny andron’i Gallieni, nandalo ny 1947, ka hatramin’izao. Ny tiako hambara dia hoe tanteraka ilay politikan’ny zarazarao hanjakana, dia manjaka tanteraka izy. Na izany aza dia misy foana ny mpanohitra azy, dia ny VVS, ny MDRM, ny JINA sy ny PANAMA ary amin’izao fotoana dia eo ny legalista izay tsy manaiky hatramin’ny farany. 

T.T : Ahoana ilay hoe zarazarao hanjakana ?
Dadamanana : Tsy hivalampatra amin’ny tany aloha aho fa efa maro ny mahalala ny tantara, fa ankehitriny vokatr’io fanonganam-panjakana nokotrehiny io dia mizaraza tanteraka ny Malagasy. Ohatra: ny kristianina dia mizarazara, ny mpanao gazety samy mpanao gazety dia iaraha-mahita, ny mpanao politika moa dia tsy resahina intsony fa ny tena loza dia hatramin’ny miaramila avy no efa tonga amin’ny fifamonoana, fa soa ihany fa tsy tafita ilay tanjony hampiady ny samy Malagasy amin’ny resaka ara-poko, izay tena nokendreny.
 
T.T : Resahina betsaka fa hametraka demokrasia tena izy ry zareo, ahoana izy io ?
Dadamanana : Izany aloha dia tsy hisy fa ny zavatra tsapa dia mihena ary foanany tsikelikely ilay atao hoe «fahafahana sy Demokrasia», satria izay manangam-peo manohitra azy, eny fa na namany aza, dia samborina na voadaka. Misy mihitsy ny maty, ao ny miala tsy fidiny eto Madagasikara raha tsy hilaza afa-tsy ny filoha Ravalomanana. Tsy lazaina intsony ny radio sy gazety manana feo hafa noho ny azy izay akatony avy hatrany, izay no porofo fa foanana tsikelikely ny fahafahana sy ny demokrasia. Hatramin’ny mpanao gazety ve gadraina dia ho misy demokrasia !
 
T.T : Ambaran’ny mpitondra mahefa fa mandeha ny fiainam-pirenena, ny fahitanao izay lafiny toekarena izay ?
Dadamanana: Mitotongana tanteraka, tsy hiteny intsony ny resaka AGOA aho sy ny Zone Franche, tsy hisy mpampiasa vola hatoky an’i Madagasikara izany eto satria isika dia tafiditra ao anatin’ilay «Pays à risques», na dia lazaina aza fa misy ny sahy toy ny Sinoa izay mbola tsy mazava io, fa raha ny zava-misy dia ny tombontsoa frantsay no tena miroborobo sy manjaka eto.
 
T.T : Mandeha ny resaka fa hosoloina ny Ben’ny tanànan’Antsirabe, ny fahitanao izany ?
Dadamanana : Araka ny efa nolazaiko dia foanana tsikelikely ilay tena demokrasia hatramin’ny nahatongavan’ireo teo amin’ny fitondrana satria ny filoha voafidim-bahoaka naongany, ny Parlemanta voafidy nofoanany, ary izao dia izay resaka fanoloana Ben’ny tanàna izay no aely. Efa nisy ny Ben’ny tanàna nosoloiny toa an’i Manakara, ohatra. Mazava hoazy fa ity Tetezamita ity dia herim-pamoretana sy fanamparam-pahefana sy fanaovana didin’ny be sandry fotsiny. Raha ny fahitako ny mponina eto Antsirabe dia tsy hanaiky mora izany fotsiny raha toa ka hanao izany izy ireo, indrindra izahay mpanolotsaina eto an-tanàna ary tsy hahazo fankatoavana eto izany PDS hapetrany izany fa avelao ho avy eo.
 
T.T : Ny firaisankinan’ny mpanolotsaina eto Antsirabe manao ahoana ?
Dadamanana: Ny marina dia antoko efatra izahay no mandraftra azy ,izay ahitana ny TIM, Arema,Grad Iloafo ary ny AVA. Raha ny tamin’ny martsa 2009 dia tany amin’izy ireo ny antoko Arema ary efa naka ny fitantanana ny tanàna teto ny mpitarika azy ireo fa tsy nahita mangirana. Tadidin’ny maro angamba izay. Fa amin’izao fotoana anie efa samy ao amin’ny movansy Madagasikara izahay e! ka tsy hisy PDS tafapetraka eo zany !
 
T.T : Teninao farany ?
Dadamanana : Efa betsaka ny hirika notadiaviny hanalana ny Ben’ny tanàna fa tsy nahita mangirana ry zareo. Raha hanao amboletra izy ankehitriny dia tsy hisy vola azony ampiasaina izany eo ka asakasany fa anjaran’ny mpanolotsaina ny fankatoavana izany. Izay no ilazako hoe avelao hesoriny raha “Chef de Région” fa ireny olom-boatendry, fa raha olom-boafidy toy ny Ben’ny tanàna kosa no hesorina dia fanaovana tsinontsinona ny safidim-bahoaka tanteraka izany ka aoka isika hivonona tsy hanaiky lembenana.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT