Mandeha ambaratonga sy antanan-tohatra ny fomba fiasan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny Groupe de Contact International na ny Gic, araka ny fanazavan’ny dokotera Armand, solontenan’i Mahajanga tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Misy antanan-tohatra 9 izany manomboka any amin’ny fibodoana, fanaovana fahirano, arakarak’izay tena zava-mitranga any amin’ilay firenena. Ho an’i Madagasikara manokana, hoy izy, dia eo amin’ny antanan-tohatra faha-8 no misy amin’izao fotoana izao. Antanan-tohatra iray sisa dia mety ho tonga hatrany amin’ny fidiran’ny tafika mpampandry tany avy aty amin’ny vondrona misy antsika, dia ny Sadc, iznay. Misy fepetra anefa ny hahatongavana amin’io dingana faha-9 io, toy ny tsy fanatrehan’ny ankolafy iray ny dinika fikaroham-bahaolana manaraka. Araka ny vaovao mantsy dia mety hotanterahina ao Maorisy indray ny dinika raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany. Ankoatra izay, hoy ny Dr Armand, dia mila hitan’izao tontolo izao fa tena mitaky ny hiverenan’ny ara-dalàna tokoa ny Malagasy. Mbola an-dalam-pandinihana ny zava-misy eto amintsika aloha hatreto ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Eo manko ireo herisetra sy antsojay ataon’ny FAT amin’ny vahoaka Malagasy, ny tsy fanajan’ny FAT ny sonia nataony tamin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena nekeny tany Maputo sy Addis Abeba. Ny filankevitra misahana ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina izao no efa nanasazy olona 109 eo anivon’ny FAT, ny Alliance Réformée Mondiale, ny Reporters sans Frontières, ny Federasiona iraisam-pirenen’ny mpanao gazety, ny Vondrona Eoropeanina, ny Vondrona Afrikanina, ny vondron’ireo firenena Afrika-Karaiba-Pasifika, Etazonia, Alemainina sy ny maro hafa tsy voatanisa dia efa samy nanameloka ny fanonganam-panjakana sy ny herisetra ataon’ny FAT. Mila ny vahoaka, na ilay atao hoe maro an’isa tsy mety mihetsika sy miteny maneho ny heviny manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Araka ny vaovao dia misy tokoa ny herijika hahatongavana amin’io antanan-tohatra faha-9 io, dia ny firotsahan’ny tafiky ny Sadc. Ho hita eo ihany ny tohiny…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.