Politique

Famahana ny krizy Miditra an-tsehatra ny ONU


  • Zoma 11 Jona 2010

Nifarana omaly ny fitsidihana fakan-kevitra nataon’ny iraka manokan’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU) Ban Ki Moon.

Efa herinandro latsaka kely teo   no nijanonany teto Madagasikara, ary nisy ny fihaonany tamin’ireo solontenan’ny ankolafy efatra toa an’i Andry Rajoelina, Fetison Andrianirina, Pr Ange Andrianarisoa, Pr Zafy Albert. Fantatra fa anisan’ireo nihaona sy nidinika tamin’ity iraka manokan’i Ban Ki Moon ity ihany koa ny fiarahamonim-pirenena. Araka ny vaovao voaray ihany no nahafantarana fa mbola hisy fitsidihana hafa ataon’ny solontenan’ny Firenena Mikambana eto amintsika afaka andro visivitsy, fa hiverina any New York hanao ny tatitra momba ny dinika tapany voalohany aloha ireo iraka manokana. Tsy mbola nisy aloha ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny ambangovangon’ny resaka nifanaovana fa ny hany azo antoka dia manodidina ny fikarohana vahaolana ivoahana amin’ny krizy no tena fototry ny resaka rehetra.

Azo antoka araka izany fa tsy mivaona amin’ny fametrahana ilay tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra, araka ny satan’i Maputo izany. Azo adika ihany koa izao fitsidihan’ny iraka manokana avy any amin’ny ONU eto amintsika izao fa miakatra ambonimbony kokoa ny fanelanelanana amin’izao fotoana. Efa hita ho somary sahirana ihany mantsy ny ekipa mpanelanelan’ny GIC izay tarihin’i Joaquim Chissano, ka mety ho izay angamba ny antony idiran’ny Firenena Mikambana an-tsehatra satria efa manomboka mitarazoka be ihany ilay krizy malagasy. Mety noho izay fidiran’ny ONU an-tsehatra izay ihany koa no nampihemotra ny fikarakarana ilay fikaonan-doham-pirenena, satria tsy maintsy eken’ny ankolafy rehetra ny fanaovana an’io ary mazava tsara ny fitsipika ifampitondrana ao fa tsy sanatria teny midina fotsiny no ho hita. Andrasana araka izany izay mety ho fivoahan’ity endri-panelanelanana vaovao ity indray. Hanampy tosika ny GIC ve ny Firenena Mikambana amin’ny dinika manaraka atao any Pretoria sa tena handray an-tanana manokana mihitsy ny fanelanelanana ? 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT