Politique

Gadra politika Misy 42 ao Antanimora, 54 any Tsiafahy


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Manao tohivakana ny famonjana izay rehetra manelingelina ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita). Hatramin’ny omaly dia miisa 96 ireo Malagasy nofonjaina tato anatin’ny 14 volana.

Tsy ankanavaka io fa na mpanao politika, manamboninahitra ambony, mpitondra fivavahana, mpanao gazety, mpisolovava, eny hatramin’ny olon-tsotra aza dia lasibatra avokoa. Izay tsy voasambotra dia mitondra faisana amin’ny hery famoretana, tao ny maty misy ny naratra ary tsy vitsy no mitondra takaitra tamin’izany satria dia tsy misalasala mampiasa fitaovana mahery vaika ny miaramilam-panjakana. Mampisalasala ary miteraka resabe, tsy eto an-toerana ihany fa saika manerana izao tontolo izao mihitsy, anefa ny antony itanana am-ponja azy ireo. Manaporofo izany ny tsy androsoan’ny fanadihadiana momba ireo nofonjaina ireo fa toa nihazakazahana fotsiny ny hidobohan’izy ireo am-ponja dia mihantona eo ny raharaha. 04 amin’izy 42 ao Antanimora no hany voatsara hatramin’izao, fa ny ambiny dia mijanona ho fitanana vonjimaika avokoa.

Toy izany ny ao Tsiafahy, ireo voarohirohy tamin’ny resaka “baomba” ihany no nitsara, fa ny ambiny dia mihitsoka ao. Tsy hijanona eo ny FAT fa hanohy ny fisamborana sy famonjana, indrindra taorian’iny raharaha FIGN ny 20 mey iny. Mandeha aza ny feo fa raha misy 109 ny olon’ny FAT nosazian’ny Vondrona iraisam-pirenena, dia tsy haneho ny FAT fa any aminy ny fahefana ka tsy hijanona raha tsy misy 109 misazy kosa amin’izay manohitra azy, ary mety hihoatra io isa io aza, fa hoe : “maso solon’ny maso ?”. Mijanona ho faniriana sy am-bava fotsiny ihany raha izay no izy ny fihavanam-pirenena toriana etsy sy eroa, fa dia ho tsimbalivaly ity fandehanana any am-ponja ity isak’izay misy fiovam-pitondrana eto. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT