Politique

Fitondrana tetezamita Hitohy hatramin’ny 2011 ?


  • Zoma 11 Jona 2010

Miha mazava ny resaka ankehitriny fa mety tsy ho raikitra ny 12 aogositra indray ny fitsapan-kevi-bahoaka fa tsy maintsy hihemotra, efa somary nilaza ny momba izay ihany mantsy ny filohan’ny CENI, Rakotomanana Heriniaina, tamin’ity herinandro ity.

Rehefa nandinika ny raharaham-pirenena ihany koa i Rasolo André izay mpampianatra eo anivon’ny sampana sosiôlôjia eny amin’ny oniversiten’Antananarivo dia nilaza fa mety amin’ny 2011 vao hifarana ny tetezamita. Hita ho mikatso tokoa mantsy ny famahana ny krizy amin’izao fotoana, tsy mbola fantatra ny daty mazava hanatanterahana ny «Pretoria 2», i Afrika Atsimo rahateo mbola mampiantrano ny Mondial 2010 mandritra ny iray volana. Ny HAT etsy an-danin’izay efa zavatra hafa mihitsy no ao an-tsainy, dia ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena sy ny fikarohana famatsiambola hafa, ankoatra ireo mpamatsy vola mahazatra. Ny ao amin’ny ankolafy telo moa etsy ankilan’izay mbola manohy ny tolona eny amin’ny Magro. Mifoha ary mitohy mangingina ihany koa etsy andanin’izany ny asan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izay hita taratra tamin’ireo fanambarana nifanesisesy tato ho ato izay.

Etsy an-kilan’izany anefa dia miketrika mafy ary mampiasa ny tetika sy ny lalana rehetra hanerena izao tontolo izao mba hanaiky ny fijoroan’ny tetezamita tantanan’ny ankolafy Rajoelina ny Frantsay, ka manohana an-kolaka ny fanapahan-kevitry ny HAT rehetra no sady mandrisika ny hanatanterahana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny fifidianana. Tsy mety tanteraka anefa izany rehetra izany, satria tsy atokisan’ny maro an’isa ny rafitra hikarakara ny fifidianana napetraka. Mbola baraingo ihany koa ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena sy ny mety ho fahavitrihan’ny olona handray anjara amin’izany. Tsy tokony hahagaga, araka izany, raha hisy fiovana sy fihemorana napetraky ny filohan’ny HAT, satria efa nihemotra aloha ny fikaonan-doham-pirenena, tsy maintsy hihemotra ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy ho vita mialoha ny faran’ny taona ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ka hitohy hatrany amin’ny 2011 ny fitondrana tetezamita, na misy na tsy misy marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy politika. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT