Politique

Mektoub El Camille «Tapitra ny 21 jona izao ny fe-potoana nomen’ny HCC an’i Andry Rajoelina»


  • Zoma 11 Jona 2010

«Ny 21 martsa 2009, tao Mahamasina, no napetraky ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana tamin’ny toerana maha filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita azy i Andry Rajoelina. Araka ny lalŕna, dia nanome 15 volana ny filohan’ny FAT ny HCC hanomanany ny fidirana amin’ny Repoblika faha-4, ao anatin’izany ny fikarakarana sy fanaovana ireo fifidianana isan-tsokajiny. Raha atao ny kajy tsotsotra dia ny 21 jona ho avy izao no hiafaran’ny fe-potoana nomen’ny HCC an’i Andry Rajoelina, izany hoe afaka 10 andro».

Araka izany, hoy i Camille Mektoub, dia tokony hiala amin’io daty io ny filohan’ny FAT satria tapitra ny fotoana nomena azy. Hatramin’izao anefa tsy nisy vita ny tokony ho nataony. Manoloana izany àry dia hifanentana ireo mpikambana eo anivon’ny Kaongresin’ny tetezamita, araka izay voarakitry ny satan’i Maputo, fa hanoratra ho an’ny HCC izy ireo, hampatsiahy ity Andrim-panjakana ity izany lalàna nankatoavina tamin’ny 21 martsa 2009 izany. Io rahateo no hany lalàna navoakan’ny HCC tao anatin’izay herintaona izay. Manana adidy, hoy i Camille ireo maro an’isa tsy miteny, ary tokony hanoratra ihany koa. Araka izany, tokony hipetraka ho azy ny tetezamita iaraha-mitantana aorian’ny 21 jona 2010. Fa ankoatra izay dia nambaran’ity solombavambahoaka ity ihany koa fa dia misy mikononkonona fampiadiana foko any ho any. Tsy ho ela izy io raha tsy mitandrina, araka fanazavany. Mety ho any Manakara, na Toamasina na koa Antsirabe no hiandohan’izany mialoha ny hahatongavany aty an-drenivohitra. Raha ny fanazavan’i Mektoub El Camille dia any Manakara no mora arehitra izany ady an-trano izany manoloana ny ady hifanandrinan’ny Pds sy ny Ben’ny tanàna ao an-toerana. Mizara roa ny Antemoro, ka ireo mpomba ny Ben’ny tanàna Andriano Giscard dia no maro an’isa, ireo mpomba ny Pds Sileny Alban notendrena kosa, hoy ihany Mektoub, dia vitsy an’isa. Manoloana izany, dia manentana ny Malagasy ity mpanao politika ity mba hiady handravana izany teti-dratsy izany. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT