Kmf

Cnoe Tsy mety amintsika ny «Régime présidentiel fort»


  • Zoma 11 Jona 2010


Manoloana ireo fanehoan-kevitra maro samihafa momba ny mety ho endriky ny Repoblika faha-4 sy ny fahafantarana ireo soso-kevitra an-jatony momba ny lalàmpanorenana voarain’ny CCC, dia manamafy ny Kmf/Cnoe fa tsy mety amin’i Madagasikara sy ny Malagasy ny endri-pitondrana manome fahefana betsaka ho an’ny filoham-pirenena, io izany ilay hoe : «régime présidentiel fort». Ho an’ny Kmf/Cnoe dia ilaina hita mazava ao anatin’ny lalàmpanorenana ny zo fototry ny olom-pirenena, ny fisarahan’ny fahefana ary ny fifandanjam-pahefana araka ny hevitry ny Kmf/Cnoe ihany. Ny fampiharana ireo rehetra ireo miaraka no hampilamina ny tany sy ny fanjakana ary tsy hampiverimberina intsony ny krizy, araka ny fahitan’ny komitim-pirenena mpanara-maso ny fifidianana. Tsara homarihana fa anisan’ireo fikambanana nilaza fa handray anjara mavitrika  amin’izay fihaonana sy fivoriana rehetra, iantsoana azy ho amin’ny fikarohana vahaolana ialana amin’ny krizy ny Kmf/Cnoe. Ary manana solontena mihitsy eo anivon’ny CENI na ny komity mahaleotena misahana ny fifidianana. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT