Politique

Ankolafy 3 Hanao hetsika lehibe


  • Zoma 11 Jona 2010

«Tsy amidy, tsy atakalo ny tanindrazana. An’ny Malagasy i Madagasikara», hoy ny dokotera Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

Raha ny fandehan-javatra ankehitriny dia ho eo am-pelatanan’ny ankolafy telo tsy ho ela ny fahefana. Tetsy an-danin’izany, mampalahelo, hoy ny solombavambahoakan’i Beloha Androy, Fanapera Longin ny tsy fanajana ireo raiamandreny nasehon’ny FAT tamin’ny filazany fa tsy nisy zava-bitan’ireo filoha rehetra teo aloha. Ankehitriny anefa, hoy izy, dia manamarika ny 50 taona nahazoana fahaleovantena i Madagasikara ary etsy an-danin’izany dia ny zavatra ataon’ny FAT dia tsy misy afa-tsy ny mitokana ny zava-bitan’ny fitondrana Ravalomanana. Ankehitriny dia tapaka avokoa ny famatsiana ny fanamboarana ireo foto-drafitrasam-pampandrosoana.

Fa tetsy an-kilan’izay dia nahitsy ho an’ny haino aman-jerim-pirenena ny lahatenin’ny pasitera Edouard, nitaky ny hampielezana ny vaovao marina. Nampitandrina onjam-peo tsy miankina iray koa ny tenany manoloana ny fanaratsiana ny profesora Zafy Albert, mba hampitsaharana izany. Nangatahany mba hanao taratasy ofisialy ireo miaramila hiverina hanompo ireo mpanjanatany. Raha izao no mitohy, hoy ihany izy, dia ho rava ny miaramila gasy ka aleo ny Vahoaka no hiaro ny tanindrazany. Ho an’ny pasitera Edouard dia “Andriamanitra no hamaly izay nataon’ny FAT”. Noho izany, izay hitranga eto amintsika dia avy amin’Andriamanitra. Fantatra fa ny 26 jona dia hihetsika avokoa ny ankolafy rehetra maneran-tany, dia ny tia tanindrazana rehetra. Hisy hetsika goavana ihany koa ato ho ato manerana ny Nosy ka ny sabotsy ho avy izao no hamantarana ny daty sy ny toromarika ho amin’izany. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT