Sendikalista, mpanao politika, mpampianatra mpikaroka, teknisianina, olon-tsotra… mitatra hatrany ny sehatra ahitana ireo miombona fijery amin’ny Pr Ranjeva Raymond amin’ny paika heverina fa mety hitantanana ny tetezamita hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy mitarazoka izao, sy hitondra azy any amin’ny Repoblika vaovao marin-toerana.
Sokajin’olona samihafa no tazana tao amin’ny La Rotonde Mahavoky raha nanao famelabelarana ankapobeny ny tolokevitra heveriny ka atolony hanavotana an’i Madagasikara amin’izao kizo lalina diaviny izao ity mpitsara iraisam-pirenena ity. Misy ny hamehana ary mila vonjiranovaky ny zava-misy ankehitriny dia “Vonjy Aina” no netiny nilazana io paika io. Nanipika mazava anefa ny Pr Ranjeva Raymond fa tolotra ihany ny azy, koa raha mahatsapa sy resy lahatra ny maro fa io tokoa no hamelona indray ny fanantenana ao ampon’ny Malagasy, hampirisika ny fandraisan’andraikitry ny isam-batan’olona fa tsy hampiraviravy tanana azy ary koa hahatsapan’ny Malagasy fa tompon’andraikitra sy masimandidy amin’ny taniny izy ka mila mandray an-tanana ny hoaviny sy ny taranany, dia milaza fa vonona hitarika ny fanatanterahana izany izy.
Nanome ny heviny mikasika ny fitantanana ny tetezamita tena izy koa izy, ka nilazany fa ny herim-panahin’ny Malagasy ihany no vy miaina ahafahana mamaha ny olana eo, koa amin’izay dia governemanta teknôkraty no hatsangana. Nanoritra mazava anefa izy fa mila fahaiza-manao sy fahalalana efa voasedra ny fitantanana izany. Nambarany koa fa tsy azo avela irery amin’ny mpanao politika ny fikatsaham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy, nambarany anefa fa tsy hanao bemiray toy ny faham-borodamba akory na izany aza. Ny fipoiran’ny olona toy itony dia mitory fa tsy mahavaha olana hivoaka ny krizy ny mpitondra FAT na niziriziry hitantana samirery ny firenena ary mifikitra mafy amin’ny toerany efa ho roa taona latsaka aza izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.