Politique

Vahaolana amin’ny krizy Hamoaka ny fehin-keviny ny Ankolafy telo


  • Sabotsy 14 Aogositra 2010

«Inona no vato misakana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy, tadiavo izay vahaolana», io no lohahevitry ny asam-baomiera tamin’ny fihaonambe «Fiaraha-mientana ho fivoahana amin’ny krizy» karakarain’ny Ankolafy Telo, Ratsiraka, Zafy Albert ary Ravalomanana ao amin’ny Carlton hatry ny omaly.

Saika nahatonga solontena teny avokoa ny hery velona eto amin’ny firenena, na avy eto an-drenivohitra na ny avy any amin’ny faritra toa ireo Ampanjaka sy Tangalamena. Nitsodrano ny ankolafy Madagasikara ireto Raiamandreny. Ho an’ny hery politika dia tonga tetsy amin’ny Carlton ny Escopol, ny avy ao amin’ny Monima sy ny maro hafa. Haharitra roa andro, ka hifarana anio ity dinika fitadiavam-bahaolana ity. Samy nandray fitenenana tamin’ny fanokafana ireo lehiben’ny delegasiona, Pr Andrianarisoa Ange ho an’ny firehana Ratsiraka, Dr Rakotovahiny Emmanuel avy amin’ny ankolafy Zafy ary Fetison Rakoto Andrianirina ho an’ny ankolafy Ravalomanana. Ho an’ireo Ankolafy telo dia efa mazava ny vahaolana ho an’i Madagasikara dia ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba, sady efa nahazo ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo. Io sata io no hifikiran’ny ankolafy Madagasikara satria efa voasoratra amin’ireo fifanarahana ireo avy koa ny tondro zotra rehetra hamahana miaraka ao anatin’ny tenierana ny krizy eto amintsika. Ao anatin’izany, ohatra, ny momba ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, eo koa ny momba ny fampihavanam-pirenena, ny famotsoran-keloka, ny fiaraha-mitantana ao anatin’ny tenierana. Efa neken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena rahateo ity sata ity ary efa misy lalam-bola natokana hanampiana an’i Madagasikara hanatanterahana izany sata izany. Anio moa no hamantarana izay tsoakevitra amin’ity fihaonambe ity, hamantarana izay vahaolana aroson’ny Ankolafy Telo sy ireo mpizaika niaraka tamin’izy ireo.

 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT