Politique

Jean Eric Rakotoarisoa «Mila lalŕmpanorenana vonjimaika ny tetezamita»


  • Sabotsy 14 Aogositra 2010

Ho an’i Jean Eric Rakotoarisoa, izay manampahaizana manokana momba ny lalŕmpanorenana, dia tsy misy maharatsy mihitsy ny fahavitan’ilay fifanarahana politika teny Ivato. Aminy dia tokony hanan-kery ary azo ampiharina avy hatrany noho ny hamehana izany fifanarahana politika izany, mba tsy hitarazohan’ny tetezamita intsony.

Nanamarika ihany koa ity manampahaizana momba ny lalàna ity fa tokony hisy ny lalàmpanorenana vonjimaika hitantanana ny fitondrana tetezamita, ary hapetraka mazava ny parlemanta sy ny andraikiny mandritra ny tetezamita. Na tetezamita tokoa aza no misy, dia ilaina ihany ny fanaraha-maso ny asa ataon’ny fahefana mpanatanteraka, araka ny fahitan’i Jean Eric Rakotoarisoa azy. Izy koa anefa dia milaza fa afaka azo lalàmpanorenana tsotra izao ilay fifanarahana politika voasonia teny Ivato, ary efa fanao tamin’ireo tany nandalo krizy tahaka antsika izany. Amin’izay dia tsy voatery hiandry ny fijoroan’ny parlemanta ny fandaniana ireo volavolan-dalàna maika amin’ny fandaminana ny firenena. Fa efa voafaritra mialoha ao anatin’ilay fifanarahana politika ny fomba hanatanterahana azy. Atoa Jean Eric Rakotoarisoa moa dia efa hatramin’ny herintaona no nanambara fa miato ary tsy tokony hanan-kery sy ampiasaina intsony amin’ny fanapahan-kevitra rehetra eto amin’ny firenena ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-3 vantany vao nirodana ny fitondrana Ravalomanana, satria maro ny olana nipoitra avy amin’iny lalampanorenana iny, ary ireny olana isan-karazany ireny no nitarika ny disadisa politika nahatonga ny krizy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT