Politique

Pr Zafy Albert Matahotra mafy ny fiverenan-dRavalomanana i Andry Rajoelina


  • Sabotsy 14 Aogositra 2010

Mbola mitana ny sain’ny maro ao Antsiranana, renivohitry ny Faritra DIANA ny fihaonana politika narahana fanazavan-kevitra nataon’ny filoham-pirenena teo aloha sady Rain’ny demokrasia Malagasy ny Pr Zafy Albert tao amin’ny Hotel de la Poste ny harivan’ny alarobia 11 aogositra lasa teo.

Nanamarika io fihaonana io ny fehezanteny niverimberina nataony nilaza fa “matahotra ny fiverenan’i Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina” sy ny nanamafisany fa “tsy maintsy ho avy Atoa Marc Ravalomanana ary ho avy miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana. Ny fahatongavany eto no hamarana tanteraka ny krizy. Ary amin’izay fotoana izay dia mety hisy ny fisokafan’ny biraon’ny SADC eto Madagasikara, hijery sy hanaraka akaiky ny toe-java-misy aorian’ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana”. Teny nataony nanoloana ny mpanao politika samihafa toy ny avy amin’ny UNDD, Arema, Tiako I Madagasikara... “Izany no mahatonga an’i Andry Rajoelina sy ny mpomba azy hanaotao foana toy io”, araka ny fanazavan’ny Pr Zafy Albert ihany. Nahitsy ny tenin’ity farany nilaza fa “efa tsy mamim-bahoaka ao Antananarivo intsony i Andry Rajoelina”.

Nandritra io fihaonana tao amin’ny Hotel de la Poste io no nanamafisan’ity filoham-pirenena voalohany tamin’ny Repoblika fahatelo teto Madagasikara ity fa
“tsy nisy fifanarahana tsara noho ny Maputo”.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT