Mipi-kelika ny mpanongam-panjakana nahazo fitondrana taorian’ny fanaovan-tsonia ilay “fifanarahana politika” nataon’ireo andiana mpanao politika manonofy ny hamarana izao krizy novolena izao.
Raha zohiana ny votoatiny dia nanavotra tamin’ny ora farany ireo tsimatimanota manana fahefana eto amin’ny firenena sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena iny fifanarahana vita sonia iny. Manamafy izany ny andalana milaza fa «Mandritra ny fotoanan’ny tetezamita dia tsy misy fepetra fampiatoana amin’ny asany filohan’ny tetezamita na fitsipaham-pitokisana ny governemanta na fandravana ireo Antenimiera azo tanterahina». Iza no tsy milaza, eny fa na ireo mpivory tao amin’ny Centre de Conférences Internantional Ivato, nanao io fifanarahana io aza, fa ny mpitondra amin’izao fotoana izao no ao ambadik’ireny trafikana “bois de rose” sy vatosoa sarobidy ireny ? Io andalana io anefa dia miaro azy ireny tsy ho azo kitikitihina. Ary ny loza dia ny fahasahian’ireo mpanao politika nivory tao Ivato ireo nandray fanapahan-kevitra fa dia foanana ary miato avokoa ny fihetsiketsehana politika manohintohina ny fanjakana. Fa iza moa izy ireo no handray fanapahan-kevitra mifanohitra tanteraka amin’ny demokrasia toy izany ?
Mazava izany izao fa ny dikan’io fifanarahana natao sonia omaly io dia hanome vahana ny didy jadona sy ny tsy refesi-mandidy isan’ambaratonga eto amin’ity Madagasikara ity. Ady amin’izany didy jadona sy ny tsy refesi-madidy ary ny tsimatimanota izany anefa no nohirahiraina sy nitondrana olona teny an’arabe, nitatra tamin’ny fandorana harem-pirenena sy fananan’olona tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 ary nahavery asa Malagasy ana hetsiny amin’izao fotoana. Koa raha seza sy tombontsoa no nanosika ireo mpanao politika ireo hanao sonia iny fifanarahana iny, satria te hahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny mpanongam-panjakana, dia tokony ho tsapan’izy ireny fa fanaovana takalonaina ny Malagasy 20 tapitrisa ny sonia nataony ary dia krizy vaovao indray no hipoitra eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.