Nahitsy ny tenin’i Victor Hong nilaza fa raha mbola ireo olona mpanongam-panjakana hatramin’izay no manodidina ny mpitondra dia tsy hiverimberina hatrany ny krizy politika eto Madagasikara ary tsy hisy fampandrosoana vanona eto.
Fotoana izao, hoy ity mpanao politika iray amin’ireo miady ny hametrahana ny rafitra federaly eto Madagasikara ity, aleo ny madio tanana amin’izay no hitondra ny firenena manomboka izao ! Fanontaniana no napetrany nanohanany ny heviny. Mby aiza ny firenena taorian’ireny raharaha 1972, 1991, 1996 nampiatoana ny Pr Zafy Albert tamin’ny asany, 2001-2002 ary 2009 ireny ? Izy ihany anefa no mamaly fa matoa ny firenena sahiran-dava toy izao dia satria mbola ireo olona nitarika sy tompon’antoka tamin’ny firodanan’ny fanjakana nifandimby teto izay mbola hita manodidina an’i Andry Rajoelina ankehitriny, toa an-dry Richard Andriamanjato, Ratsirahonana Norbert Lala, Marson Evariste...
Izany, araka ny filazany, no anisan’ny antony tsy nidiran’izy ireo handray anjara tao amin’ilay Sehatra Ifanakalozan’ny antoko politika nivory tao Ambohidahy. “Tsy hitondra ny firenena amin’ny hetahetan’ny vahoaka sy i Madagasikara ary tsy hisy zavatra hiova eto raha mbola ireo olona mpanongam-panjakana ireo ihany no hiseho ho mpikarakara sy sy mandamina, ka aleonay tsy nandeha. Mbola ho avy ny fotoana hisehoana”, hoy i Victor Hong. Nanamafy ity farany fa “efa betsaka no natao sy vitan’ireo olona ireo teto amin’ny firenena, koa mety amin’izy ireo no mijanona amin’izay”. Mikasika ny dinika politika teny Ivato indray dia fanontaniana koa no napetrak’i Victor Hong. “Inona no azonao antenaina amin’ny olona tsy mitazona ny teny nomeny toa an’i Andry Rajoelina ? Maro izay dinika nokarakarain’izao fitondrana izao izay, fa tsy misy notanterahiny izay tinapaka tamin’izany”, hoy i Victor Hong izay nampahatsiahy fa ny “Homme d’Etat” dia mitazona ny teny nomeny. Aminy, raha namaritra tetiandrom-pifidianana sy ny rafitra ary ny fomba hitantanana ny tetezamita ireo mpanao politika nidinika teny Ivato, dia ho zava-poana ary tsy mino ny hahatanterahan’izany raha tsy mbola hifanarahana io, ary raha tsy vita ny fampihavanam-pirenena. Mila fitoniana politika eto, ka ampihavanina avokoa na miaramila, na mpiasam-panjakana, na mpitsara, indrindra ny mpanao politika.
Aminy dia laharam-pahamehana io fampihavanam-pirenena io, ary ny fikaonandoham-pirenena no sehatra hamaritana ny fomba hahatongavana amin’izany. Tsy anavahana io, fa mila mandray anjara ao avokoa na Ratsiraka na Ravalomanana na Zafy na Rajoelina, hampilamina ity firenena ity. Samy manana olona mpiara-dia aminy avy ireo. Mila mazava mandritra ny fikaonandoham-pirenena, ohatra, ny atao hoe : “gadra politika”. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny mpitsara araka ny hevitr’i Victor Hong, hamoaka hoe : iza amin’ireo olona ambony ireo no voarohirohy ara-pitsarana. Raha hita fototra ka voamarina fa meloka dia asitaho ireo hipetraka ! Ny madio tanana no mandray anjara amin’ny fitanana ny firenena fa tsy izay mahay miteny, na koa mpamadika palitao. “Aoka ho tonga saina, fa mijaly ny vahoaka. Fiovana marina no ndeha hatao fa tsy fivadibadihana palitao hanambakana olona fotsiny”, hoy i Victor Hong. Mihevitra ity farany fa ny rafitra federaly no hahavotra an’i Madagasikara, fa raha mbola rafi-pitantanana mifototra amin’ny fanjakana tokana dia tsy hisy fampandrosoana ho tafavoaka eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.