• Alatsinainy 30 Aogositra 2010
Politique.Fetison Rakoto Andrianirina “Voatery handray fepetra henjana ny Ankolafy Telo”

Hatezerana, fahasorenana, nefa koa fanontaniana na nisy ihany aza ireo nipi-kelika no ako re tamin’ny Malagasy maro, tsy teto an-drenivohitra ihany fa saika nanerana an’i Madagasikara taorian’ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra, tamin’ny alalan’ny mpitsara R. Mauricette, ny marainan’ny sabotsy 28 aogositra 2010 mikasika ny raharaha 7 febroary, ka nanamelohana ny filoha Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty. Mikasika izay indrindra dia nisy ny dinidinika niarahan’ny Tia Tanindrazana tamin’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasiona Marc Ravalomanana, araka izao manaraka izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010
Politique.Raikitra ny hazalambo Fito no voasambotra any Toliara

Ataon’ireo mpitandro ny filaminana hazalambo ireo mpitarika fihetsiketsehana fanoherana ny tsy rariny sy fanapenam-bava ny vahoaka tsy haneho ny heviny, nitranga tao Toliara ny zoma 27 aogosotra teo, ka niteraka fahapotehan’ny fitaovana sasantsasany tao amin’ny radio Soatalily.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010
Politique.Ankolafy Telo Hivoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ?

Samy namoaka ny heviny manoloana ny didim-pitsarana nanameloka ny filoha Ravalomanana ireo rehetra nandahateny teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010
Politique.GTT IDF Manohitra ny fanaovana fitaovana ny fitsarana

Naneho ny heviny momba ny fitsarana ny raharaha 7 febroary ny GTT Ile de France (IDF). Lavin’ity farany tanteraka ny didy navoakan’ny fitsarana ady heloka tsotra ny sabotsy 28 aogositra teo, satria amin’izy ireo dia tsy manana ny fahefana hitsara ny filoham-pirenena io sampam-pitsarana io fa anjaran’ny “Haute Cour de Justice” ihany izany.

Hamaky ny tohiny
FTT