Hatezerana, fahasorenana, nefa koa fanontaniana na nisy ihany aza ireo nipi-kelika no ako re tamin’ny Malagasy maro, tsy teto an-drenivohitra ihany fa saika nanerana an’i Madagasikara taorian’ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra, tamin’ny alalan’ny mpitsara R. Mauricette, ny marainan’ny sabotsy 28 aogositra 2010 mikasika ny raharaha 7 febroary, ka nanamelohana ny filoha Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty. Mikasika izay indrindra dia nisy ny dinidinika niarahan’ny Tia Tanindrazana tamin’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasiona Marc Ravalomanana, araka izao manaraka izao.
Tia Tanindrazana (T.T) : Betsaka ny olona no tezitra taorian’ny nivoahan’ny didy manasazy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-niasa taminy. Manao ahoana ny fahitanao an’izay ?
Fetison Rakoto Andrianirina (Fetison R.) : Ahoana kosa moa no tsy tokony hahatezitra ny vahoaka malagasy amin’ireny ? Notakian’Atoa Rajoelina talohan’ny nakany ny fahefana fa betsaka ny zavatra tsy nety ary tokony hamboarina teo amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena. Ny fihetsika rehetra ataon’ny fitondrana tarihiny ankehitriny anefa dia manambara safidy roa : nety avokoa ny nataon’ireo mpitondra teo aloha ka mila tohizana na Atoa Rajoelina dia mpanara-drenirano fotsiny, tsy manana lalàna hentitra sy matotra hizorana. Ny didy izay nivoaka tamin’ny zoma maraina dia tsy natao hampilamina ny raharaha sy ahatafavoaka antsika ao anatin’ny haizina.
T.T : Inona no mety ho fiantraikan’iny fitsarana tsy ara-drariny araka ny filazan'ny maro iny eo amin’ny ezaka atao ankehitriny hitadiavana vahaolana amin’ny krizy ?
Fetison R. : Manamarina ny fitakian’ny Ankolafy Telo iny valim-pitsarana iny satria manaporofo tsara fa tsy hisy fitadiavam-bahaolana vanona eto raha tsy misy ny fitoniana ara-politika. Azo natao tsara ny nanemotra an’iny fitsarana iny mba hanaporofoana fa manana fahavononana ny hitady hevitra hivoahana amin’izao fikatsoana izao Atoa Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy. Tsy nahay nampiseho fahendrena tamin’ny Vahoaka malagasy sy ireo fianakaviambem-pirenena izy ireo tamin’izany. Voatery handray fepetra matotra sy henjana ny Ankolafy Telo. Manamafy ny fanambarana efa nataonay teny amin’ny Carlton izany. Tsy Ingahy Rajoelina intsony no vahaolana amin’izao fahasahiranana izao. Mijoro ho sakana izy ankehitriny ka tsara ho azy ny mametra-pialana.
T.T : Tsy te hiara-kivory aminy intsony sy ny Ankolafy tarihiny izany ianareo ?
Fetison R. : Ny Ankolafy Telo anie dia nanome lanja ny fihevitr’Atoa Rajoelina momba ny famahana ny olana eto Madagasikara ary nanolo-tanana azy tamin’ny alalan’ny fanekena azy ho Filohan’ny Rafitra Tetezamita e ! Ny Filoha Ravalomanana aza efa nanaiky ny tsy handray anjara ao anatin’izao tetezamita izao, mba tsy hanelingelenana azy amin’ny fitondrana ny rafitra. Be loatra ny fitiavan-tenan’Ing. Rajoelina ka tsy tsaroany fa tsy maintsy mandinika ny hevitry ny hafa izy mba hisian’ny filaminana sy fiaraha-miasa ho amin’ny fametrahana firenena vaovao hifantohana amin’ny tena fampandrosoana. Ankehitriny, voatery ny hitady vahaolana tsy hiarahana aminy izahay.
T.T : Midika inona marina izany mitady vahaolana tsy hiarahana amin’ny Filohan’ny FAT izany ?
Fetison R. : Hisy ny fivoriana fanomanana handraisan’ireo solontenan’Atoa Chissano sy ireo ao amin’ny CNOSC miaraka amin’ny solontenan’ireo mpanao politika sy ny ireo Ankolafy efatra amin’ity herinandro ity. Handamina izany izahay ao amin’ny Ankolafy rehetra ka ho hita eo izay fepetra hitondrana ny raharaha. Voatery miova avokoa mantsy ny zavatra hiaingana amin’ny fitadiavam-bahaolana taorin’ireny didy tsy marim-pototra ireny.
T.T : Koa raha miziriziry amin’ny heviny i Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy dia inona no hataonareo ?
Fetison R. : Misy lalana telo azo amahana ny olana. Efa eo ireo mpitarika politika izay efa nanomboka nandinika ny fametrahana ny tetezamita iraisana kanefa miainga amin’ny fametrahana ny fepetra hiverenan’ny fitoniana. Ao koa ireo olom-pirenena tsy miandany sahy mandray andraikitra hanavotra ity firenena ity sy ny Malagasy, rehefa tsy vonona ny mpitondra politika. Ary ny foloalindahy izay efa mitazana sy manara-maso ny fizotry ny toe-draharaha dia tena afaka mijoro hanavotra ny Tanindrazana. Isika no misafidy izay mety amin’ny fiarahantsika miara-miaina.
Nangonin’i Jean D.
Note:
Miisa 14 ireo voaheloka hanao asa anterivozona mandrampahafaty tamin’iny raharaha 7 febroary iny dia ny filoha Marc Ravalomanana nambara fa nanome baiko, ny jeneraly Raoelina, nambara fa nanome baiko koa, kolonely Ralamboarison Serge, GP2 Fikisy Lidy, ny kaporaly Jeannot Fatima, ny adzidà Kotokely Manahirana, ny kolonely Ambroise Razanakoto, kolonely Jadifara, kapiteny René Berthin. Voaheloka roa taona an-tranomaizina, sazy mihatona i Andrianandraina Ralitera, talen’ny fiarovana ny Fitsarana Avon’ny Lalampanorenana, Richard Randrianarimanana, tale lefitry ny fiarovana ny lapam-panjakana ary ny kaomisera Rakotovao Nambinintsoa (Nambininy). Nahafahana noho ny fisalasalana kosa i Odilon Parfait.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.