Politique

Ankolafy Telo Hivoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ?


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010

Samy namoaka ny heviny manoloana ny didim-pitsarana nanameloka ny filoha Ravalomanana ireo rehetra nandahateny teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo.

Ho an’ny rév. Andrianalijohn Andriamanampy dia nambarany fa efa fantatra mialoha ny zavatra havoakan’ny fitsarana. Nilaza ny hamono omby ny fikambanana AV7 satria nigadra mandrapahafatiny Ravalomanana, hoy izy. Vao mainka anefa mampilentika ny fo ho tia an-dRavalomanana ireny didim-pitsarana ireny, hoy ihany ny rév. Satrobory. Nohamafisin’ny Tompo toy ny tamin’ny andron’ny Farao ny fon’ny FAT, hoy kosa ny depiote Iharifanja, ka tsy tokony ho kivy isika. Efa azo atao amin’izay izany izao ny miaka-dapa, kanefa ny mankeny Ambohijatovo, Anosy notifirina lakrimozena. Efa azo atao koa amin’izao ny mangalatra satria rava ny lalàna, hoy izy. Ho an’ny pastora Edouard dia fanontaniana no napetrany.

Raha nanontaniana ingahy Raharinaivo tamin’ny fotoanandrony, hoy izy dia nilaza fa hiady amin’ny fiverenan-dRavalomanana no hataony ao anatiny ao. Ankehitriny anefa nogadrain’ny FAT mandrapahafatiny ingahy Ravalomanana, inona no azon’izy ireo harovana ? Krizy natsangan-dRajoelina ity ka ny fialan-dRajoelina no hany fanafodiny, hoy izy. Momba izay indrindra moa dia nanambara ny printsy Elakovelo avy amin’ny ankolafy Ratsiraka fa dia “hitohy ny tolona raha tsy tafody eto an-tanindrazana Ravalomanana sy Ratsiraka. Mila miomana isika, fa hivoaka tsy ho ela eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey”, hoy izy. “Tsy maintsy hivoaka isika, ary ny avy any amin’ny faritra hiakatra satria tsy maintsy miala Andry Rajoelina”, hoy ihany izy. Nangataka ny fankatovana iraisam-pirenena ny FAT, hoy ihany ny printsy Elakovelo, kanefa dia namaly ireo vahiny fa tsy hisy izany fankatoavana izany raha tsy eo ny profesora Zafy Albert, ny amiraly Ratsiraka ary ny filoha Ravalomanana. Manoloana ny resaka fa misy avy amin’ny Arema mandray anjara amin’ny dinika etsy sy eroa, dia notsindrian’ny printsy Elakovelo fa raha tsy nahazo tsodrano avy amin’ny sekretera jeneraly, ny profesora Ange Andrianarisoa sy ny Amiraly dia tsy mitombina izany. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT