Politique

Raikitra ny hazalambo Fito no voasambotra any Toliara


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010

Ataon’ireo mpitandro ny filaminana hazalambo ireo mpitarika fihetsiketsehana fanoherana ny tsy rariny sy fanapenam-bava ny vahoaka tsy haneho ny heviny, nitranga tao Toliara ny zoma 27 aogosotra teo, ka niteraka fahapotehan’ny fitaovana sasantsasany tao amin’ny radio Soatalily.

Hatramin’ny ora nanoratana dia miisa fito no voasambotra hatramin’ny sabotsy no  ho mankaty. Anisan’ireo voasambotra i Evaharane Torimana (filohan’ny antoko Fanasin’i Madagasikara), Patita Lentera (mpanao ady totohondry), Papa Rakotovao Tsimananjoky (filohan’ny fikambanana Masikoro), Rafilo Jean Felista (mpanolotsaina monisipaly Toliara I), Rabeony Mandridake (mpandraharaha) ary i Sazalahy. Karohin’ny mpitandro ny filaminana fatratra ihany koa ny profesora Elindraza Mandridake izay nitarika ny hetsika. Tsiahivina fa tao amin’ny kianjan’ny demokrasia amoron-dranomasina no saika hanaovan’izy ireo fihetsiketsehana ny zoma teo saingy efa feno miaramila mialoha izany toerana izany. Niezaka niresaka tamin’ireo miaramila ihany ny profesora saingy tsy vita akory ny dinika tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany dia nirefotra ny grenady. Tezitra noho izany ny mponina tany an-toerana ka nanehoan’izy ireo ny hatezerany ny Radio Soatalily, na RNM ao an-toerana. Nisy nanararaotra izany ka naka ny fitaovan’ny radio, toy ny «camera» sy ny ordinatera isan-karazany. Ny sasany namoaka ny entana sasany teny an-tokotany ka nandoro izany. Nanao be fiavy ireto andian’olona ireto ka izay no anton’ny tsy nahafehezan’ny mpitandro ny filaminana tany ity toe-draharaha ity.  

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT