Politique

Zafilahy Stanislas Ny miaramila no iandronan’ny rihitra


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010


Fitsaran’olombelona ihany ireny teny Anosy ireny, hoy ny depiote Zafilahy Stanilas raha nandray fitenenana tetsy amin’ny Magro Behoririka izy ny sabotsy lasa teo. “Tsy adala anefa ny vahoaka, tsy hilefitra ny voampanga”, hoy ihany izy. Zava-doza ny eto amintsika, hoy ity olomboafidin’i Vavatenina ity satria fitsarana mitanila ary mahamenatra ihany koa satria hitan’izao tontolo izao fa mampihomehy. “Fandresena ho antsika iny didim-pitsarana iny ary tsy mampihetsi-bolomaso ny filoha Ravalomanana”. Vao mainka ireny mampiray ny Ankolafy Telo. Nivadika ny rasa, hoy izy. Lasa azo atao ankehitriny ny mitondra vahoaka manafika lapam-panjakana. Ailika any amin’ireo miaramila ihany koa ny zavatra tsy mety rehetra, toy ny raharaha andramena izay nailika tamin’ny “Task Force”, ny ministry ny fitsarana FAT tany Genève nanitrikitrika fa ny miaramila no nitifitra fa ny FAT tsy nanome baiko. Manoloana ireo moa dia niantso ny tafika i Zafilahy Stanislas ny amin’ny tokony hitadreman’ny foloalindahy satria tsy maintsy hailika any amin’izy ireo ny tsy mety rehetra. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT