Politique

Raveloson Constant “To fo amin’ny miaramila ny vahoaka”


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010


Afaka tapa-bolana dia hiditra ny mpianatra eto amintsika. Ny zava-nisy anefa, hoy Raveloson Constant, dia nisy fotoana boky nilanja an-taonina no nodorana teny Avaradrano teny. Momba ny fitsarana ny raharaha 7 febroary indray dia nambarany fa tamin’ny ora fodian’ny mpamosavy no navoaka ny didy. Ny mpandoro trano, ny mpamono olona, ny mpangalatra hitam-poko sy hitam-pirenena kosa dia tsy maty manota avokoa. Izay no karazana fitsarana sy tafika misy eto Madagasikara. Izay miaramila manao ny asany eto amintsika, dia mieritrereta fa hohenjehina ianareo rahampitso. “Efa to fo amin’ny miaramila ny vahoaka ka tsara raha mihavana dieny izao. Izay manao ny marina na tsy manota aza dia voasazy”, hoy izy. Ankoatra izay, momba ny dinika teny Vontovorona dia nambaran-dRaveloson Constant fa “ny ady tsy vita teny Ivato no noresahana teny Vontovorona”, hoy ihany ity mpikatroka MFM ity. Ady amin’i Baroa no fanafody amin’izao zava-mitranga izao, hoy ihany Raveloson Constant. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT