Politique

GTT IDF Manohitra ny fanaovana fitaovana ny fitsarana


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010

Naneho ny heviny momba ny fitsarana ny raharaha 7 febroary ny GTT Ile de France (IDF). Lavin’ity farany tanteraka ny didy navoakan’ny fitsarana ady heloka tsotra ny sabotsy 28 aogositra teo, satria amin’izy ireo dia tsy manana ny fahefana hitsara ny filoham-pirenena io sampam-pitsarana io fa anjaran’ny “Haute Cour de Justice” ihany izany.

Manoloana izany indrindra dia lavin’ny GTT IDF tanteraka ny fampiasana ny fitsarana ho fitaovana hanilihana ny filoha Ravalomanana eo amin’ny sehatra politika. Fanilihina ny filoha Ravalomanana tsy afaka hilatsaka amin’izay fifidianana ho filoham-pirenena ho avy eo iny didim-pitsarana iny, hoy ihany ny GTT IDF ka “tsy azo ekena”. Etsy andanin’izany dia lavin’ity fikambanan’ny Malagasy zanaka ampielezana any Frantsa ity koa ny filazan’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina sasany fa hetsi-bahoaka no nahatongavany teo amin’ny fitondrana. Tsiahivina, hoy ny GTT IDF ny naha hipoka tanteraka ny Kianjan’i Mahamasina ny 11 sy 14 febroary 2009 izay nanamafisan’ny vahoaka ny fahatokisany sy ny fankatoavany ny filohan’ny Repoblika lany tamim-pomba demokratika dia i Marc Ravalomanana, ary nanoheran’ireo vahoaka ireo ny tetika fanonganam-panjakana efa nokotrehin-dRajoelina tamin’ny fotoana. Takianay, hoy ny GTT IDF ny hisiana fitoniana mialoha ny hanohizana izay mety ho karazana dinika, toy ny fampitsaharana ny raharaham-pitsarana rehetra ny fandrahonana manana endrika politika, ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ireo mpanao gazety, ary ny fanekena ny teny fampidirana amin’ny satan’i Maputo izay manohitra ny herisetra nefa mampirisika ny fandeferana, fampihavanana ary fifanajana. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT