• Talata 26 Oktobra 2010
Politique.James Ratsima Nailiny any amin’ny Amerikanina sy ny Eoropeanina ny olana

Hafa mihitsy ny fahitan’i James Ratsima, sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika, ny krizy iainan’ny firenena malagasy amin’izao fotoana. Nambarany mantsy fa vokatry ny asa fanakorontanana nataon’ny amerikanina sy ny Eoropeanina ny krizy fa tsy dia tena hoe noho ny fitakian’ny vahoaka fanovana izany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Oktobra 2010
Politique.Ranjivason Jean Théodore “Herintaona no tokony hanazavana ny lalàmpanorenana”

Niaiky Ranjivason Jean Théodore, mpikambana ao amin’ny CST, fa tsy ampy mihitsy raha ny fe-potoana 45 andro hanazavana ny volavolan-dalàmpanorenana amin’ny vahoaka, ary raha ny tokony ho izy araka ny filazany ihany dia herintaona eo ho eo no tokony hanaovana ny asa fanentanana sy fampahafantarana izany, indrindra moa raha ho an’ny Malagasy izay mbola voafetra ihany ny fari-pahaizana ho an’ny maro an’isa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010
Politique.Amiraly Ratsiraka Ho avy mialoha ny 04 novambra

Tafatsangana ao Toamasina ny herinandro lasa iny, ny Komity manokana hitsena sy hanomana ny fahatongavan’ny amiraly Didier Ratsiraka eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010
Politique.Ankolafy Telo Antsiranana Sady tsy hanao ENY no tsy hifidy ny TSIA

Mbola nanamafy ny heviny ireo Ankolafy Telo sy ireo mpiara-dia amin’izy ireo mikasika ny fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka ho avy izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010
Politique.Ankolafy Telo Antsiranana Manameloka ny fitorahana grenady ny Profesora Zafy

Tsy niandry ela ny mpanao politika ao Antsiranana rehefa nahare ny fitorahana grenady ny Ankolafy Telo nandritra ny zava-nitranga teto Antananarivo ny alatsinainy lasa iny, ka niantso ny mpanao gazety naneho hevitra.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010
Politique.Monja Roindefo Mampiomana fa hisy fepetra horaisiny

Nifanontona tao Toamasina ny praiministry FAT ankehitriny, ny jeneraly Camille Vital Albert, sy ny praiministry ny FAT voalohany, Monja Roindefo Zafitsimivalo, ny sabotsy 23 oktobra teo. Ny voalohany namonjy ny alim-pandihizan’ny Fikambanan’ny kaomiseran’ny polisy, ny faharoa kosa nanao famoriam-bahoaka ankalamanjana teo amoron-dranomasina, manoloana ny araben’ny fahaleovantena, nampahafantarany ny zava-misy eto amin’ny firenena ka nanatsikafonany ny tsy mety ataon’izao fitondrana FAT ankehitriny izao. Nisy ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’i Monja Roindefo Zafitsimivalo mikasika ity diany tao Toamasina ity.

Hamaky ny tohiny
FTT