Hafa mihitsy ny fahitan’i James Ratsima, sekretera jeneralin’ny antoko Fihavanantsika, ny krizy iainan’ny firenena malagasy amin’izao fotoana. Nambarany mantsy fa vokatry ny asa fanakorontanana nataon’ny amerikanina sy ny Eoropeanina ny krizy fa tsy dia tena hoe noho ny fitakian’ny vahoaka fanovana izany.
Zavatra efa voalamina sy maty paika no nampiharina teto ka nahatonga ireny zava-nisy tamin’ny herintaona ireny. Raha mandinika tsara ny zava-misy isika, hoy i James Ratsima dia mahatsikaritra fa tsy ilaozana korontana mihitsy aty amin’ny ranomasimbe indianina tato anatin’ny taona maro izao, nosinganiny manokana moa ny zava-misy eto Madagasikara, Somalie, Indonezia. Ny antony dia tsotra araka ny fandinihany : «tsy tian’ny Amerikanina sy ny Eoropeanina mihitsy ny politikan’ny fisokafana ataon’ny Sinoa ka miara-miasa amin’ny firenena afrikanina sy firenena maro any Azia. Tsy tokony hadinoina fa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina no monina ny 60%-n’ny olona eto ambonin’ny tany. Manampy izay dia maro amin’ireo akora ilaina amin’ny indostria sy ny fanorenena foto-drafitrasa koa no hita amin’izany faritra izany tahaka ny solika, ny vy ary ny uranimum. Manginy fotsiny moa ny volamena sy ireo vato sarobidy maro samihafa.”
Efa misy ihany moa eto an-toerana sy any ivelany mpanao politika sy mpandinika mitovy fomba fijery amin’i James Ratsima momba ireo korontana maro samihafa mipoitra etsy sy eroa eto ambonin’ny tany, izay mazana any amin’ny firenena sahirana no misy azy fa tsy hoe any Etazonia na any amin’ireo firenena eoropeanina matanjaka. Ny fanazavaa re matetika mahatonga izany dia ny hoe : manana rafitra matanjaka sy midadasika hifehezana ny toekarena sy ny tontolo politika maneran-tany ireo firenena matanjaka, ka lohalaharana amin’izany ny Amerikanina sy firenena Eoropeanina maromaro. Voalaza fa ho fanakanana ny fidiran’ny Sinoa any Eoropa no antony nametrahan’ny OTAN toeram-pamaharana ara-miaramila goavana any Afghanistan. Araka ny fandinihan’ireo manampahaizana manokana momba ny politikam-pifandraisana iraisam-pirenena mantsy dia nihazakazaka aok’izany ny tanjaka ara-toekaren’i Chine ka natahotra ihany ireo firenena matanjaka sao hanjanaka tsimoramora izao tontolo izao ny Sinoa ary hahazo ny tombontsoa rehetra. Dia izany, hono, no antony hisian’ny ady etsy sy eroa sy savorovoro politika ! Asa aloha ny tena fahamarinana izany fa dia ho hita eo ihany ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.