Politique

Monja Roindefo Mampiomana fa hisy fepetra horaisiny


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Nifanontona tao Toamasina ny praiministry FAT ankehitriny, ny jeneraly Camille Vital Albert, sy ny praiministry ny FAT voalohany, Monja Roindefo Zafitsimivalo, ny sabotsy 23 oktobra teo. Ny voalohany namonjy ny alim-pandihizan’ny Fikambanan’ny kaomiseran’ny polisy, ny faharoa kosa nanao famoriam-bahoaka ankalamanjana teo amoron-dranomasina, manoloana ny araben’ny fahaleovantena, nampahafantarany ny zava-misy eto amin’ny firenena ka nanatsikafonany ny tsy mety ataon’izao fitondrana FAT ankehitriny izao. Nisy ny resaka nifanaovan’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’i Monja Roindefo Zafitsimivalo mikasika ity diany tao Toamasina ity.

Tia Tanindrazana (TT) : Atoa Monja Roindefo, inona no tena votoatin’ity dianao tao Toamasina ity ?
Monja Roindefo Zafitsimivalo (MRZ) : Iarahantsika mahalala fa raha tsy nisy ny herimpoko sy ny herintsaiko ny tolom-bahoaka nitaky fanovana teto efa maty ankaranany ohatra izay. Ireo milaza azy ho tompom-pahefana rehetra ireo dia ilay nitsoaka avokoa tao anatin’ny fotoana sarotra ka nisitrika tamin’ireo masoivoho vahiny avokoa. Raha tsy nisy ahy ny fakana ny lapan’Ambohitsorohitra dia tsy ho azo izany. Ianareo ihany anefa no nahita fa i Monja Roindefo ve no niasa tao raha azo izany lapa izany ? Tsia. Noho izay famadihana ny tolona niarahana tamin’ny vahoaka izay no hijoroako izao hilaza ny marina sy ny hampahafantatra ny tokony hatao manomboka izao.

 
TT : Azo ambara ve hoe inona izay hataonao sy ny ekipanao izay ?
MRZ : Mitety faritra maro izahay ka natomboka tao Mahajanga izany ary izao notohizana tao Toamasina izao ary mbola handeha faritra hafa manerana ny nosy koa ato ho ato. Manangona ny tena hevitry ny vahoaka Malagasy izahay, aorian’izay dia hisy ny fepetra horaisina. Ny teny entiko izao dia ilay tenin’i Napoléon Bonaparte, Amperora sady mpitari-tafika frantsay nalaza, manao hoe : «Raha mandroso aho dia arahinareo, raha mihemotra kosa aho dia vonoinareo, ary raha maty aho dia itomanianareo».
 
TT : Raikitra ity ny Tsena Mora, naninona no tsy natao fony mbola praiministra ianao ?
MRZ : Tsoriko aloha fa tsy mankasitraka an’io Tsena Mora io aho. Tsy vahaolana io amiko, fa ny volam-panjakana foana no lany anaovana fanampiana ara-bola amin’io “business” ny fitondrana io ary orinasa vitsy an’isa mpiray tendro amin’ny filohan’ny FAT no mahazo tombony amin’izany. Efa hitantsika ireny famarotana ny vary sy ny menaka ary ny lafarinina teo anivon’ny seranan-tsambo ireny, lany vola be tamin’ireny mba hahafahana nampidina ny vidin’ireo entana, nefa mba ohatrinona ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ireny ? Tsy nisy fa samy nikepoka izay azony ny mpitondra sy ny mpibizina. Amiko dia politikan’ny tapi-maso sy propangady politika ary fanararaotana ny fahantram-bahoaka amin’izao fifidianana atao amboletra hidiran’ny FAT izao no nanaovana io Tsena Mora io.
 
TT : Mpitolona nitaky fanovana ianao, ankehitriny maika ny hiova ka hanao fifidianana ny FAT izay ianareo no nametraka azy, toa mandà ny hiditra indray ianao fa maninona ?
MRZ : Mandà aho satria tsy io ilay fifidianana nolazaina fa hatao filamatra aty Afrika nodradraina hatramin’izay. Amiko dia fifidianana ankamehana sy tapi-maso fotsiny io. Iza ary izao no afaka milaza fa mahalala izay hofidiany ny mpifidy ? Iza koa no sahy hilaza fa tena izy io lalàmpanorenana atao amboletra fotsiny io ? Tsy io mivoaka amin’ny fahanginany io ny mpahay lalàna Malagasy maro manakiana sy milaza fa tokony mbola ho maro ny fanitsiana tokony hatao aminy. Izao jereo ny manodidina, tsy misy miraika ny olona, ho krizy hafa indray no hitranga eto tsy ho ela raha mitohy izao. Ny tetibolan’ny CENI sy ny rantsa-mangaikany koa ankilan’izay tsy misy, na ireo mpiara-miombona antoka sy fianakaviambe iraisam-pirenena aza efa milaza fa tsy mety io, ka inona no mbola hisisihana aminy. Amiko, aminay Monima tarihiko, tsy azo ekena io fitsapan-kevi-bahoaka amboletra fotsiny io.
 
TT : Midika ve izany fa hampanao TSIA ianareo Monina sy ianao Monja Roindefo ?
MRZ : Sady tsy milaza amin’ny mpifidy hampandany na TSIA an’io fitsapan-kevi-bahoaka io izahay Monina sy ny tenako, fa ny anay dia tsy izy io ka tokony hajanona fa miandry ny tena lalàmpanorenana iarahan’ny Malagasy sy eken’ny Malagasy ary mifanaraka amin’ny hetahetan’ny Malagasy. Ny zava-nisy koa, dia nambara foana fa izaho no olana taorian’ny Maputo sy Addis Abeba. Niala an-tsitrapo ny tenako, ka amiko sao tsy izaho no olana fa ny mifanohitra amin’izany, dia fialan’ny filohan’ny FAT sy ireo ekipany ireo.
 
TT : Ny fehin-teninao Atoa Monja Roindefo Zafitsimivalo !
MRZ : Mila manova haingana isika izao raha te hiala ao anatin’ny krizy fa efa tena latsaka an-kady ny firenena ary potika ny fiainan’ny Malagasy 20 tapitrisa. Mitohy ny fandringanana sy ny fanondranana an-tsokosoko «bois de rose» sitrany ahay vaza-mihetsiky ny fitondrana FAT ankehitriny sy ny mpiray tendro aminy. Mitranga ny fanaovana “faux bon de trésor” amin’ireo tahirim-bolan’olona (compte de dépôt) eo anivon’ny Trésor sy ny Banky Foibe. Manjaka ny fifanarahana amin’ny vahiny mba hidiran’ny vola tsy mazava sy maloto... Tsy azo ekena izany ka mila mihetsika ny vahoaka sy ny olom-pirenena ary ireo manampahaizana Malagasy maro manarina izany, raha tsy izany tsy ho ela dia hanana olana eo amin’ny sehatra rehetra ny Malagasy sy ny firenena Malagasy, ka izay vao samy hihinana ny ngidiny eto. Mitohy ny dianay mitety faritra, tsy ho ela dia ho avy ny hafatra goavana ho antsika, ka tokony ho efa samy hiomana ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo.
 
Nangonin-dRakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT