Politique

Ankolafy Telo Antsiranana Manameloka ny fitorahana grenady ny Profesora Zafy


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Tsy niandry ela ny mpanao politika ao Antsiranana rehefa nahare ny fitorahana grenady ny Ankolafy Telo nandritra ny zava-nitranga teto Antananarivo ny alatsinainy lasa iny, ka niantso ny mpanao gazety naneho hevitra.

Tao anatin’ny fivoriambe fanaon’izy ireo ny sabotsy teo no nanaovan’izy ireo fanambarana manameloka ny nanaparitahana vovoka manempotra ary nitorahana grenady ny Ankolafy Telo, izay amin-dry zareo any Antsiranana dia nikendrena mihitsy ny fiara nitondra ny filoha Albert Zafy rehefa niatrika ny vahoaka tamin’ny fotoam-pitsarana ny alatsinainy teo teny Anosy. Sempotra ny Profesora ka tsy afaka niteny teny Ambohijatovo. Izany no atao hoe jadona, hoy izy ireo, ary efa natao tsianjery teto. “Inona loatra ity ataon’ny fitondrana FAT ity ?”, hoy izy ireo. Niatrika tao ireo mpitarika ny ankolafy telo ary niampy ireo mpandala ny foto-kevitra federalisma sy ny reny Malagasy. Heloka bevava ny zavatra toy izany, hoy izy ireo, ka mitaky ny hanokafana fanadihadiana manodidina izany ny Ankolafy Telo ao Antsiranana. Tsy vitan’ny noharatsiana sy natao izay tsy mahamendrika ho Raiamandreny azy, fa mbola notsiratsiraina mivantana amin’ny haino aman-jery, ary izao indray koa tadiavina hovonoina. “Inona loatra no antony ?”, hoy ireo mpitarika ny Ankolafy Telo Antsiranana namarana ny tenin’izy ireo. Teny fampieritreretana no nataon’izy ireo nilaza fa raha misy ny mahazo ny Profesora noho ny ataon’izao fitondrana izao, tsy hamaha olana velively izany fa vao mainka hanakorontona.

 
Môrasiro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT