Politique

Ankolafy Telo Antsiranana Sady tsy hanao ENY no tsy hifidy ny TSIA


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Mbola nanamafy ny heviny ireo Ankolafy Telo sy ireo mpiara-dia amin’izy ireo mikasika ny fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka ho avy izao.

Tsy handray anjara sady tsy hampandray anjara ny olona amin’io fifidianana io izy ireo. Mbola niampy koa izany satria sady tsy handatsaka ny ENY no tsy hifidy ny TSIA izy ireo. Sarotra amin’ny FAT ny baolina hatreto raha ny fahitana azy. Voatsikera etsy sy eroa ny volavolan-dalàmpanorenan’i Andry Rajoelina. Hatramin’ireo mpanao fampielezan-kevitra aza tsy sahy miseho vahoaka ao Antsiranana fa misitrika anaty fiara mandehandeha fotsiny. Aparitaka ireo ministra hanao fampielezan-kevitra. “Izany ve tsy mifanohitra amin’ny lalam-pifidianana izay tian’izy ireo hapetraka”, hoy i Tarzan. Mampidi-doza io lalàmpanorenana io, hoy i Manoely. Nambarany fa naverina ny faritany nefa tsy misy fitsinjaram-pahefana. Sady tsy hamidy no tsy hatakalo ny tanindrazana nefa azo amidy indray i Madagasikara raha eken’ny lalàna izany araka ny voarakitr’io lalàmpanorenana io. Lalàmpanorenana manome vahana ny frantsay io, hoy ny mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana, Atoa Noelin. Feno ny kapoaka, tapitra ny fandeferana ny vahoakan’Antsiranana, hoy izy. Lalàmpanorenana tefy manta io ho fampanekena antsika hobaikoin’ny Frantsy mba hanjanahany ara-toekarena antsika indray ao anatin’ny 50 taona. tsy hanaiky izany isika, hoy izy. Ny solontenan’ny reny Malagasy ao Antsiranana moa dia nahitsy ny tenin’izy ireo milaza fa “tianay ny fifidianana fa izahay tsy mankasitraka an’io ho avy io ka aoka hajanona !”

 
Môrasiro

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT