Politique

Amiraly Ratsiraka Ho avy mialoha ny 04 novambra


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010

Tafatsangana ao Toamasina ny herinandro lasa iny, ny Komity manokana hitsena sy hanomana ny fahatongavan’ny amiraly Didier Ratsiraka eto Madagasikara.

Nisy ny fampahafantarana ny birao, ahitana an’i Daya Junior (Toamasina I), Razafiarivelo Medard Daniel (Analanjirofo), Talata Victor (Atsinanana). Miampy an’Atoa isany Rakotozafy Emmanuel sy Manajara Paul ireo komity ireo, araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo ihany. Nanambara ary ity Komity natsangana ity fa “raha ny volana oktobra aloha dia tsy azo antoka ny fahatongavan’ny amiraly, fa ny volana novambra kosa dia efa voamarina ny valiny fa ho tonga izy”. Izay no nahatonga ny mpikatroka sy ny kamarady Arema rehetra mieritreritra fa “mety ho alohan’ny daty nitsingerenan’ny taona nahaterahany ny 04 novambra no ho tonga eto Madagasikara Atoa Ratsiraka Didier Ignace”. Nohamarinin’izy ireo koa fa “tsy natao hangata-bola ny Komity, fa afaka mandray izay fanomezana omen’izay hanampy azy ireo”.

Ankoatra izay, ho an’ny fikambanana Federalista ao Toamasina dia naneho hevitra izy ireo ny herinandro nivalona iny ka nilaza fa tsy manaiky ny fanatontosana fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra ho avy io. “Eo aloha ny fahamaikana amin’ny fanatontosana azy, eo koa ny tsy fanomezana anjara ny faritra sy ny faritany ao anatiny izay tsy voalaza mihitsy”, hoy izy ireo, ka ny fanafoanana tanteraka io fifidianana atao amboletra io izany no tadiavin’ny fikambanana Federalista ao Toamasina.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT