Politique

Ranjivason Jean Théodore “Herintaona no tokony hanazavana ny lalŕmpanorenana”


  • Talata 26 Oktobra 2010

Niaiky Ranjivason Jean Théodore, mpikambana ao amin’ny CST, fa tsy ampy mihitsy raha ny fe-potoana 45 andro hanazavana ny volavolan-dalŕmpanorenana amin’ny vahoaka, ary raha ny tokony ho izy araka ny filazany ihany dia herintaona eo ho eo no tokony hanaovana ny asa fanentanana sy fampahafantarana izany, indrindra moa raha ho an’ny Malagasy izay mbola voafetra ihany ny fari-pahaizana ho an’ny maro an’isa.

Tsy maintsy irosoana anefa ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra, hoy izy satria mila miverina haingana ao anatin’ny valan’ny ara-dalàna isika, ary ilain’ny firenena ny fisian’ny lalàna fototra handaminana ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny tany sy ny fanjakana. Ny lalàmpanorenana moa no antsoina hoe lalàna fototra eto. Nanamarika Ranjivason fa ny tsy fisian’io lalàna fototra io no mampisavorovoro sy tsy mampilamina ny firenena amin’izao fotoana satria samy manana ny filazany ireo mpanao politika ary mandrirotra amin’izay maha metimety azy ny toe-draharaha. Hany ka tena sahiran-tsaina ny vahoaka, ary sarotra ihany koa ny tena hamantarana hoe iza no milaza ny marina, ary iza no manao kobaka am-bava.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT