• Talata 02 Novambra 2010
Politique.Famatsiana ny “Tsena Mora” Lasibatra izay kaontenera taraiky ao amin’ny Port

«Tranga efa nampoizina ny famoahana kaontenera eo amin’ny Port sady tsy manaraka fombafomba sy pitsopitson-draharaha no tsy mandoa haba, taorian’ny fanalana ny reseveran’ny ladoany teo aloha, noho ity farany hentitra amin’ny fanarahana fitsipika mikasika ny entana miditra sy mivoaka».

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Novambra 2010
Politique.Fifidianana Ben’ny tanàna Eny amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha

Mbola tantara lava ny resaka fifidianana Ben’ny tanàna kasain’ny FAT hotontosaina ny 20 desambra izao. Hisokatra amin’ity anio 02 novambra 2010 ity, tsiahivina ihany, ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana raha ny tetiandro nofaritan’ny FAT.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 02 Novambra 2010
Politique.Monja Roindefo «Tsy nametra-pialana i Marc Ravalomanana»

Hafa mihitsy ny fanaovana politika eto amintsika. Rehefa eo amin’ny fitondrana dia hafa ny fiteny, rehefa tsy eo intsony kosa dia mivadika koa ny lela. Nahazendana ireo mpanara-baovao ny filazan’i Monja Roindefo tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tamin’iny faramparan’ny herinandro lasa iny izay nilazany fa tsy nametra-pialana ny filoha Ravalomanana fa namindra fahefana tamin’ny miaramila.

Hamaky ny tohiny
FTT