«Tranga efa nampoizina ny famoahana kaontenera eo amin’ny Port sady tsy manaraka fombafomba sy pitsopitson-draharaha no tsy mandoa haba, taorian’ny fanalana ny reseveran’ny ladoany teo aloha, noho ity farany hentitra amin’ny fanarahana fitsipika mikasika ny entana miditra sy mivoaka».
Izay no nambaran’ireo Transitaires sy mpiasan’ny ladoany ary ireo mpiasan’ny seranan-tsambo tafaresaka taminay. Fantatra mantsy izao fa manao izay tiany atao ny mpitondra FAT amin’ireo entana mpandraharaha lany fe-potoana tokony hijanona eo anivon’ny MICTSL, orinasa misahana ny kaontenera ao amin’ny Port, ka tsy maintsy afindra eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra (CCIT). Rehefa izay dia ambara fa tsy hita tompony dia hakana «ordonnance» hamoahana azy. Tsy ferana koa anefa na ireo mpandraharaha tompon’ny kaontenera mihitsy no miray tendro amin’ny manampahefana sasany mba hitsoahana ny haban-tseranana amin’ireo entana hafarana, ka izy ireo indray avy eo no mitavana ny fanampiana na «subvention» omen’ny fanjakana.
Araka ny fantatra ary izao dia kaontenera miisa 15, feno ireo sakafo ilaina andavanandro, no navoaka andro aman’alina tao amin’ny Port tsy nandoa haban-tseranana sy hetra samihafa tokony haloa amin’ny fanjakana. Ireo aloha no mbola fantatra sy nahazoam-baovao, nitranga teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mbola ny loharanom-baovao ihany no nahalalana fa Transit ana filohan’antoko iray, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, rafitra izay vao najoron’ny FAT farany teo, no mpamoaka ireo kaontenera ireo. Araka ny fantatra dia ireto kaontenera avoaka eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireto no entina hamatsiana ilay Tsena Mora, tetikasan’ny FAT ankehitriny. Midika izany fa ilay ambara fa fanampiana 1,2 arivo tapitrisa ariary, mihodina ao anatiny dia ireo haban-tseranana tsy aloan’ireo mpamoaka ny entana eo anivon’ny seranan-tsambo.
Raha tsorina anefa dia indroa voa ny fanjakana, satria mamoaka vola amin’ny “subvention” nefa matiantoka amin’ny haba tsy miditra. Dia mankaiza ny vola ? Araka ny fantatra anefa dia mbola manodidina ny 350 eo ireo kaontenera lany fetr’andro ara-dalàna hahazoany mijanona eo amin’ny toerana malalaka fanobian’entan’ny MICTSL, ka tokony hafindra eo anivon’ny CCIT. Ny 90% amin’ireo kaontenera 350 ireo anefa dia PPN avokoa, eo ny siramamy, ny menaka, ny karazana ronono, ny karazana sira, savony … Eo am-piketrehana izany ireo mpibizina ao anatin’ity raharaha ity ankehitriny, izay fomba efa natao ihany tamin’ireny vary sy lafarinin’ny orinasa Tiko teo anivon’ny seranan-tsambo ireny. Vokatra izao toe-javatra izao, dia efa betsaka sahady ireo mpandraharaha sy mpanafatra entana no mailo amin’ny entany, ka mirohotra haingana mamoaka ny entany na eo aza ny olana ara-bola misy aminy noho ny krizy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.