Politique

Famahana ny krizy Miala nenina ny Amerikanina


  • Talata 02 Novambra 2010


“Efa ela loatra ny krizy, tonga ny fotoana hiverenana hidinika indray an-databatra boribory hahatongavana amin’ny tetezamita iraisana, tenierana, tsy mitanila”. Hatry ny omaly dia eto Madagasikara ny iraka avy amin’ny departemantam-panjakana amerikanina, tarihin’i Karl Wycoff, sekreteram-panjakana lefitra misahana ny raharaha afrikanina. Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hanao fanambarana ofisialy ity iraka ity amin’ity anio ity, eny amin’ny tranon’ny masoivoho amerikanina eny Ambaranjana. Hihaona amin’ny mpanao gazety ihany koa ny tenany. Ao anatin’izany fandalovany eto Antananarivo izany dia mikasa ny hihaona amin’ireo mpisehatra politika rehetra ity iraka manokana avy amin’ny fitondrana amerikanina ity, ao anatin’izany i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT.

Tsy mbola nahazo valiny momba izany moa ny tenany, araka ny vaovao avy amin’ny masoivoho amerikanina. Mbola tsy fantatra tsara koa ny mety ho fandaharam-potoanan’i Karl Wycoff. Hatreto aloha dia tena mbola sarotra ny hahita izay ho fiafaran’ny krizy na dia efa tena sempotr’izany aza ny vahoaka Malagasy sy ny toekarena. Asa ihany koa raha hanam-piniavana hiroso indray amin’izany dinika an-databatra boribory izany hizahana izay ho vahaolana maharitra ho an’ny firenena ireo mpanao politika sy ankolafy isan-tsokajiny hametrahana izay vahaolana tenierana sy maharitra. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT