Politique

Fifidianana Ben’ny tanŕna Eny amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha


  • Talata 02 Novambra 2010

Mbola tantara lava ny resaka fifidianana Ben’ny tanŕna kasain’ny FAT hotontosaina ny 20 desambra izao. Hisokatra amin’ity anio 02 novambra 2010 ity, tsiahivina ihany, ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana raha ny tetiandro nofaritan’ny FAT.

Azo heverina ho foana mihitsy aza ity fifidianana iray ity raha toa ka manome rariny ireo Ben’ny tanàna 900 mahery izay mitsipaka ny fanapahan-kevitry ny FAT ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Raha ny vaovao nomen’ny filohan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy, Ralaiseheno Guy Maxime, dia hametraka fitoriana momba ilay didy hitsivolana 2010-009 navoakan’ny fiadidiana ny FAT ny 07 oktobra 2010 teo izy ireo amin’ity anio ity. Io didy hitsivolana io izay milaza fa mametra-pialana avy hatrany ny Ben’ny tanàna am-perinasa mbola hilatsaka raha vao eken’ny vaomiera misahana ny fifidianana ny taratasy filatsahan-kofidiany ary ny lefiny no mitantana ny Kaominina vonjimaika mandrapandraisan’ny Ben’ny tanàna vaovao ny toerany. Araka izany dia tonga amin’ny tsotsorimamba isarahana ny roa tonta rehefa tsy nety nitovy mihitsy ny tadin-dokanga tao anatin’izay iray volana sy tapany izay.

Toherin’ireo Ben’ny tanàna, izay nanangana birao nasionaly, hatramin’ny farany mantsy io fanapahan-kevitry ny FAT io. Efa namoaka fehin-kevitra mitsipaka io fandrosoana ny datim-pifidianana io indrindra izy ireo ny faran’ny herinandro teo izay nanambarany fa fanonganam-panjakana hanesorana azy ireo amin’ny toerany no tetika maizina ao ambadika. Nitondrany fanazavana ara-teknika koa anefa ny tsy mampitombina ilay fifidianana raha ny lalàna manan-kery no jerena ankoatra ny maha fahavaratra ny fotoana heverina hanatontosana izany. Ho hita eo ny tohiny.

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT