Politique

Fanelanenana amin’ny krizy Mitombo ny tsindry mihatra amin’ny CNOSC


  • Zoma 29 Oktobra 2010


Misoko mangina ny fihaonan’ny CNOSC, izay efa nahazo ny tso-dranon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena handray an-tanana ny fanelanelanana hampifanatonana ny herivelona politika samihafa eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy mora ny asa miandry ny CNOSC satria mivoatra andro aman’alina ny raharaha eto an-toerana, indrindra taorian’ny nananganan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita raha ny teto an-toerana, ary ny fihaonamben’ny Vondronan’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay na Frankôfônia, raha ny any ivelany. Misy ny mitsivalana ny mbola hanatanterahana io fampihaonana io, indrindra ireo nahazo toerana. Na izany aza dia mitombo koa ireo maneho fahavononana hiverina an-databatra boribory hifampidinika, fa latsaka an-katerena ny firenena. Raha ny feo mandeha dia mialoha ny 17 novambra no hisian’ny fampihaonana ireo ankolafy politika samy hafa, ka raha tsy miova dia any Nosy Be no hanatanterahana izany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT