Politique

Monja Roindefo «Tsy nametra-pialana i Marc Ravalomanana»


  • Talata 02 Novambra 2010

Hafa mihitsy ny fanaovana politika eto amintsika. Rehefa eo amin’ny fitondrana dia hafa ny fiteny, rehefa tsy eo intsony kosa dia mivadika koa ny lela. Nahazendana ireo mpanara-baovao ny filazan’i Monja Roindefo tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety tamin’iny faramparan’ny herinandro lasa iny izay nilazany fa tsy nametra-pialana ny filoha Ravalomanana fa namindra fahefana tamin’ny miaramila.

Sivy volana anefa no naha teo amin’ny fitondrana an’i Monja Roindefo, taorian’ireny fanonganam-panjakana ireny, tsy niloa-bava ny tenany fa amin’izao ora sy fotoana izao, efa tsy eo amin’ny fitondrana intsony vao sahy nilaza izany. Tsy nihambahamba koa ny lehilahy nilaza fa efa namindra fahefana tamin’ny tetezamita araka ny satan’i Maputo ihany koa i Andry Rajoelina. Nilaza koa anefa izy fa dia mbola praiministra hatramin’izao satria mbola manan-kery ny taratasin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana 0079/HCC-G/02. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa tokony hisaina tsara ny amin’izay anjara andraikiny tamin’ireo krizy rehetra teto amin’ny firenena ny Amiraly mialoha ny hodiany an-tanindrazana.

Tokony hiaiky Atoa Didier Ratsiraka, hoy izy fa nanao fahadisoana teto amin’ny firenena, toy izay nataon’ny praiministra britanika teo aloha, Tony Blair. Tetsy andanin’izany dia nambarany fa an-terisetra ny referandaoma kasaina hatao amin’ny 17 novambra. Tsy hamaha olana io, hoy izy satria tsy hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Momba ny Tsena Mora karakarain’ny FAT sy ny TGV kosa dia nambarany fa tsy misy mangaraharaha. Tokony hampahafantarina ny olona ny famatsiam-bola natokana ho an’izany tsena izany ary dia nangataka ny amin’ny tokony hisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantantanam-bolan’ny fiadidianan’ny FAT koa ny tenany. Niova fiteny sa niova palitao i Monja Roindefo ? Na izany aza dia takian’ny vanimpotoana ny fahitsiana miteny toy izany, hivoahan’ny marina ihany koa. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT