Politique

Ankolafy Ravalomanana Miantso ireo Demokraty rehetra


  • Talata 02 Novambra 2010


Tonga ny fotoana hiraisan’ireo Demokraty rehetra hina, hoy i Fetison Rakoto Andrianiriana mba hametrahana ilay antsoina hoe : “front commun pour la victoire de la démocratie malgache”, adika malalaka hoe sehatra iombonana hiady amin’ny fampandresena ny demokrasia eto Madagasikara izay heverin’ny ankolafy Ravalomanana fa lalana iray hitondra amin’ny famahana ny krizy. Nomelohin’ity lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana ity koa anefa, etsy andanin’izany, ny fihetsik’ireo mpanao politika sasany izay ao anatin’ireo andrim-panjakana amin’izao kisaritsarin-tetezamita izao.

Nambarany àry fa nanala tena teo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara ireo olom-boafidy ao anatin’ireo andrim-panjakana amin’izao fotoana izao ireo. Noho izany dia tsy manan-jo hiteny amin’ny anaran’ny TIM na koa ny ankolafy Ravalomanana izy ireo. Ny TIM izay ny filoha Ravalomanana no mpanorina azy ary i Yvan Randriasandratriniony kosa no filoha amperinasany. Hataon’ny FAT fitaovana ho amin’ny fampieiezan-keviny ny ambarantongam-pahefana rehetra, hoy ihany i Fetison Rakoto Andrianirina hany ka dia miteraka fikorontanana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy izany. Tonga àry ny fotoana, hoy izy, ho amin’ny firaisankina, fa tsy ny ady, hanavotana ny firenena. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT