• Alatsinainy 22 Novambra 2010
Politique.Nahemotra ny fifidianana Tahotry ny FAT ho afa-baraka fanindroany

Raha nandritra ny fanokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa no efa nanandram-peo sahady ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita amin’ny tokony hanemorana ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna, dia nanamafy izany fitakiana izany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ny sabotsy 20 novambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 22 Novambra 2010
Politique.Niala saron-tava ny FAT Misambotra dia managadra

Mbola noporofoin’ny FAT indray ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra eto amin’ny firenena. Hidiany na mahazo fandrahonana avokoa izay onjampeo tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakana ary ny fonja no miandry ireo mpanao politika mitabataba.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 22 Novambra 2010
Politique.Raharaha BANI “Milisy mitam-piadiana no nanafika ny Tafika”, hoy ny GTT International

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha BANI. Kihon-dalana lehibe indray no nihodinan’ny raharaham-pirenena nanomboka ny sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 22 Novambra 2010
Politique.Namadika, nitolo-batana … Andraikitry CEMGAM

Voasambotra, nitolo-batana, nisy namadika tamin’ny vola, vela-pandrika hisamborana ireo niara-niasa akaiky tamin’ny filoha Ravalomanana iny … nifamahofaho mandrak’ity ny anio ny zava-nitranga marina tao amin’ny BANI Ivato ny andron’ny sabotsy 20 novambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 22 Novambra 2010
Politique.Ankolafy Telo Mila manova famindra

Na tsy foana tanteraka aza dia hita fa manomboka mihena hery ny tolon’ny Ankolafy Telo, taorian’ireo zava-nitranga ny herinandro lasa teo. Maro be ny fandaharam-potoana re tamin’iny herinandro iny, saingy tsy nisy tanteraka izany na ny iray aza.

Hamaky ny tohiny
FTT