Politique

Niala saron-tava ny FAT Misambotra dia managadra


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010

Mbola noporofoin’ny FAT indray ny tsy fisian’ny fahalalahana maneho hevitra eto amin’ny firenena. Hidiany na mahazo fandrahonana avokoa izay onjampeo tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakana ary ny fonja no miandry ireo mpanao politika mitabataba.

Raha niomana hitafa tamin’ny vahoaka Malagasy tetsy Analakely anoloan’ny Tahala Rarihasina ireo Ben’ny tanàna mikambana ao amin’ny AMM (Association des Maires de Madagascar) ny sabotsy 20 novambra teo no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo-Reg ny filohany, Ralaiseheno Guy Maxime. Tamin’ny folo ora maraina no fotoana nifanomezana saingy efa tamin’ny iray ora sy sasany no nigadona teny an-toerana ny Ben’ny tanàna am-polony teo, biraon’ny AMM izay nisalotra samboady. Tsy nisy akory ny kabary fa vao ny fanentanana ny vahoaka izay nitsitokotoko teny amin’ny manodidina hanatona ny toerana no vitan-dRalaiseheno Guy Maxime dia avy ireo miaramila nisambotra azy ary nitondra azy natao fanadihadiana teny amin’ny tobin’ny zandary Betongolo.

Tsy nisy nokitihana kosa ireo namany. Naparitaka tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso sy nenjehana hatrany Tsaralalana kosa ireo vahoaka teny an-toerana izay nisiotsioka mafy ho fanoherany ny fihetsik’ireo mpitandro filaminana. Raha ny fanazavan’ny kolonely Ravalomanana Richard, lehiben’ny Emmo-Reg dia noho ny fanevatevana mpitandro ny filaminana no antony nisamborana ny filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny nosy. Tsy mitombina velively izany, hoy Randrianandrasana Pascal, filoha lefitry ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna avy any Menabe satria tsy mbola nanambara na inona na inona akory ity farany tamin’ny fotoana nisamborana azy. “Ny fanaovana hetsika tsy nangatahana alalana kosa no antony fisamborana”, raha ny nambaran’ny praiministra Camille Vital.

Manameloka izao nahazo ny filohany izao ireo mpikambana ao amin’ny AMM. “Tsy vahaolana amin’ny krizy ny fisamborana fa vao mainka hampihitsoka. Hany olomboafidy eto amin’ny firenena izahay izay manana ny hajanay ka ambaranay eto fa tsy hijanona akory ny hetsika na hovonoina aza izahay”, hoy hatrany Randrianandrasana Pascal. Mitaky ny famoahana tsy misy hatak’andro an-dRalaiseheno Guy Maxime koa i Mamihaja, filoha lefitry ny AMM avy any Vatovavy Fitovinany izay miantso ireo Ben’ny tanàna rehetra ihany koa hifanotrona sy tsy hanaiky lembenana. Ireo sefo Fokontany sy ny lefiny miampy ny solontenan’ny vahoaka ao amin’ny Kaominina Ankaraobato koa dia namoaka fanambarana mangataka ny famotsorana tsy misy hatak’andro ny Ben’ny tanànany noho ny fahatsapan’izy ireo ny asa fampandrosoana vitany. Amin’ity anio ity moa no voalaza fa hiakatra fitsarana Ralaiseheno Guy Maxime.

 
Légende: Nandritra ny nisamboran’ny Emmo-Reg an-dRalaiseheno Guy Maxime, Ben’ny tanànan’Ankaraobato.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT