• Talata 23 Novambra 2010
Politique.Antoko politika Nanao tolo-dalàna ny Escopol

Tokony hotohizana ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato ary tokony hotohizana tahaka izany ihany koa ny fifampiresahana eo amin’ny ankolafy rehetra mba hametrahana vahaolana matotra sy maharitra hivoahana amin’ny krizy, araka ny hevitry ny Escopol.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Novambra 2010
Politique.Monja Roindefo Hosamborina ihany koa ?

Taorian’ilay fanonganam-panjakana miaramila nitsefotra teny amin’ny BANI Ivato dia mandeha be ny resaka amin’izao fotoana fa hitohy ny fisamborana, ka ireo eritreretin’ny FAT fa lohandohan’ny mpisorona nifandray tendro tamin’ireo manamboninahitra mpanongam-panjakana no voakasik’izany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 23 Novambra 2010
Politique.Mpanohana ny “Tsia” sy ny “Tsy nifidy” Mangataka ny hanafoanan’ny HCC ny fitsapan-kevi-bahoaka

Nametraka taratasy teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mangataka tsotra izao ny hanafoanana ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra lasa teo ny mpanohana ny TSIA sy ireo nisafidy ny tsy hifidy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 22 Novambra 2010
Politique.Tsy fahatomombanan’ny referandaoma Manilika andraikitra ny CENI

Fifidianana ratsy karakara indrindra hatramin’izay niantsoana ny olom-pirenena feno taona teto Madagasikara ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina ny 17 novambra 2010. Mpifidy maro no tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana, karinem-pokontany sy taratasy fanamarinam-ponenana koa anefa dia efa azo nandatsaham-bato.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 22 Novambra 2010
Politique.Fetison, Zafilahy, Pastera Edouard Naverina mangingina ao Ambatolampy ?

“Ny zoma alina lasa teo no nifampiresahanay farany fony ry zareo mbola tany amin’ny fonjaben’i Fianarantsoa. Avy eo anefa dia nisy olona nilaza taminay fa nafindra amin’ny toerana tsy fantatra ireo olona arovanay, ary manafin-dresaka hatramin’ireo mpiandry fonja”.

Hamaky ny tohiny
FTT