Politique

Namadika, nitolo-batana … Andraikitry CEMGAM


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010

Voasambotra, nitolo-batana, nisy namadika tamin’ny vola, vela-pandrika hisamborana ireo niara-niasa akaiky tamin’ny filoha Ravalomanana iny … nifamahofaho mandrak’ity ny anio ny zava-nitranga marina tao amin’ny BANI Ivato ny andron’ny sabotsy 20 novambra lasa teo.

Ny hany hitan’ny rehetra maso dia ireo tanjozotrana fiara 4x4 maromaro nialohavana moto vitsivitsy nisava lalana nivoaka ny toby ary nitanjozotra nihazo ny renivohitra. Nialoha izay dia nisy feom-basy mitsitapitapy sy fipoahan-javatra toa grenady no re. Tsy naharitra anefa izany rehetra izay fa tao anatin’ny fahefatradiny raha ela. Inona marina no nitranga tao ? Baraingo ny amin’io. Fa raha hiverenana fohy ny raharaha taorian’ny fanambarana in-telo miantoana nataon’ireo manamboninahitra 16 lahy tao, dia nisy ny fanambarana avy amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ny zoma 19 novambra maraina nalefa tamin’ireo haino aman-jerim-panjakana sy ny haino aman-jery Viva ny amin’ny tokony hialan’ireo mponina sy fianakaviana ao amin’ny BANI Ivato sy ny manodidina.

Nihorohoro ny mponina teny, satria dia atomotra ny fanafihana raha ny fonosin’ilay fanambarana, izay niteraka sahohon-dresaka tokoa. Ny tolakandron’io anefa dia nilaza indray ireo tomponandraikitra ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, ministra, sy ny jeneraly Camille Vital, taorian’ny fisokafan’ny fotoam-pivorian’ny Parlemanta, fa tsy hisy fanafihana hatao eny. Niara-niaiky, ny andaniny sy ny ankilany fa dia ny fifampiraharahana no hamahana ny olana fa tsy hifamono ny samy tafika, ny samy miaramila. Ny alarobia 17 novambra, nivoahan’ny fanambarana voalohany teny amin’ny BANI anefa no efa niteny i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT sy ny jeneraly Camille Vital, praiminisiny fa dia handray ny andraikiny satria tany misy fanjakana eto (?) Novorian’Ambotsirohitra àry ireo lehibe mpitari-tafika na ireo “Chef de corps” teto an-drenivohitra, nisy folo teo, ny sabotsy 20 novambra maraina. Naharitra ora roa teo ny dinika. Tsy nisy nipika ny resaka saingy azo antoka fa nifantoka tamin’izay hamahana ny raharaha BANI. Araka ny loharanom-baovao anefa dia tsy nanaiky hanome ny olona eo ambany fifehezany hanafika eny amin’ny BANI ireto ‘Chefs de corps’ ireto. Toa manaporofo izany ny zava-nisy ny tolakandron’ny sabotsy iny.

Ry zareo avy ao amin’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) notarihin’ny lietnà kolonely Lylison no maro an’isa tonga nanani-bohitra teny amin’ny BANI, sy zandary avy amin’ny GSIS niampy olona avy amin’ny fiarovana ny Lapan’Ambohitsorohitra, ka nahitana ny kolonely Fidimalala (RAS), “Aide de camp” an’i Andry Rajoelina, izay mampametra-panontaniana ihany ny fisiany tany mba tsy hilazana fa tsy nandray baiko hanafika ny miaramila. Tsy nisy nahita izay tena niseho marina tao amin’ny BANI moa fa dia filazana avy amin’ny fiadidian’ny primatiora, kanefa tsy misy porofo mivaingana, no nomena ny rehetra. Ny nisy dia nankasitrahan’ny jeneraly Camille Vital manokana moa ny jeneraly Ndriarijaona André, lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Malagasy na CEMGAM tamin’iny raharaha BANI iny. Mazava izany fa andraikitry CEMGAM izay nitranga tamin’iny. Resabe avokoa ny hoe tsy hifampitifitra na hifanafika fa hanelanelana, handamina, satria tsy izay no niseho fa … nivadika.

 
Nangonin’i Soa
 
Encadré
 
Tsiafahy : Jeneraly Raoelina, Kolonely Rabezandry, Kolonely Coutiti Assolant, Kolonely Jadifara, Kolonely Randriamihoatra ary Komandà Ratsiorimanana. Toeran-kafa : Jeneraly Rakotonandrasana Noel, Kolonely Raberanto, Kolonely Ramaharavo, Kolonely Ravoavahy, Kolonely Ramboasalama, Kolonely Andriambahoaka Fostin, Kolonely Randreja Mahaleo, Kolonely Ramilijaona André, Kolonely Toto Vincent ary ny Lietna Kolonely Charles Andrianasoavina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT