Politique

Raharaha BANI “Milisy mitam-piadiana no nanafika ny Tafika”, hoy ny GTT International


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny raharaha BANI. Kihon-dalana lehibe indray no nihodinan’ny raharaham-pirenena nanomboka ny sabotsy lasa teo.

Araka ny fahitan’ny GTT International, manana ny foibeny ao Génève (Soisa) ny zava-misy dia milisy mitam-piadiana ankoatra ny Force d’Intervention Spéciale na ny FIS izay tsy manana sata ara-dalàna no nanafika teny Ivato. Araka ny fanazavan’izy ireo ihany dia vitsy dia vitsy ireo tena ao amin’ny tafika no nanafika teny. Notsiahivin’ny GTT International fa ny alarobia 17 novambra dia nanao fanambarana ny Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena mba hanajanonana ny setrasetran’ny FAT, ny famoretana, ny fanagadrana, ny fanagiazana ny haino aman-jery sy ny gazety, ny fandrotehana ireo harena voajanahary sy ny maro hafa. Hatramin’ny 17 martsa 2009 dia zary lasa andavanandron-dRamalagasy ireo, hoy ihany ny GTT International. Manoloana ireo rehetra ireo dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ity vondrona ity tsy hitazam-potsiny. Mangataka ny tokony hidiran’ny SADC an-tsehatra amin’ny alalan’ny fandefasana tafika mpampandry tany ny GTT International mba hanohana sy hiaro ny vahoaka ianjadian’ny didy jadona. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT