Politique

Ankolafy Telo Mila manova famindra


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010

Na tsy foana tanteraka aza dia hita fa manomboka mihena hery ny tolon’ny Ankolafy Telo, taorian’ireo zava-nitranga ny herinandro lasa teo. Maro be ny fandaharam-potoana re tamin’iny herinandro iny, saingy tsy nisy tanteraka izany na ny iray aza.

Hita ho nisy akony ratsy teo amin’ny Ankolafy Telo, indrindra fa ny ankolafy Ravalomanana ny fisamborana an’i Fetison Rakoto Andrianirina sy Zafilahy Stanislas, izay azo ambara fa anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona mpiketrika ny paik’ady politika ao anatin’io ankolafy io. Araka ny feo re dia mety hisafidy ny hilamindamina ihany koa aloha, mandra-pivoakan’ny Pastera Edouard ny ankolafy Zafy Albert. Ny ankolafy Ratsiraka moa dia ny fitsenana ny amiraly amin’ny daty tsy mbola fantatra no tena votoatin-draharahany amin’izao fotoana. Hita amin’ireo rehetra ireo fa na dia mitovy aza ny tanjona dia samy hafa ny laharam-pahamehana ho an’ny Ankolafy Telo, ary tsy voatery hitovy ny paik’ady ampiasaina amin’ny olana mitranga.

Hita sy tsapa fa tsy sahirana mihitsy ny FAT mifehy ny hetsika etsy amin’ny Magro fa vao mipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso dia miparitaka ny olona dia raikitra ny fisamborana. Tsy mbola nahavita niditra sy nitoetra maharitra teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey na teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ny Ankolafy Telo, na dia efa ela ihany aza no nikasan’izy ireo hanatanterahana izany. Na dia efa voasambotra aza ireo mpitari-tolona dia tsy nitroatra fa nanaiky nijanona tao amin’ny rindrin’efatry ny Magro ihany ny mpitolona. Noho ny fahitana izany rehetra izany dia miha mahazo aina indray i Andry Rajoelina sy ny FAT satria tsy hita intsony izao hoe : iza ary ny mpanohitra tena matanjaka sy mahazaka vahoaka eto Madagasikara, Ankolafy Telo mitambatra aza tsy mahavita mamory olona eo Ambohijatovo fa ravan’ny Emmo-Reg 30 lahy.

Mazava be ny resaka amin’izao fotoana fa mila manova paik’ady ny mpanohitra satria toa vao mainka aza manamafy orina ny FAT ny zava-drehetra natao hatramin’izay, raha tsy izay dia tsy hisalasala mihitsy ny mpitondra hanagadra ireo mpitarika rehetra, dia hisambotra ny mpitolona rehetra indray rehefa avy eo, satria mora fantarina sy tsotra loatra ny fomba fiadin’ny Ankolafy Telo. Azo antoka fa tsy amin’ity taona ity no hivoaka ny fonja izy telo mirahalahy ary mety mbola hitarazoka ny fitsarana, ny famotsoran-keloka rahateo moa dia efa tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Parlemantan’ny FAT. Koa dia hanorim-ponenana maharitraritra ihany any am-ponja izany Atoa isany Fetison Andrianirina sy Zafilahy Stanislas ary ny Pastera Edouard.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT